Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 25 April 2026

Hodinihina mandritry ny herinandro: Jao. 15:1-8; Mar. 1:35; 1 Tant. 16:11; Sal. 119:105; Isa. 50:4; Isa. 55:1-13. 

Tsianjery : "Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy." - Isa. 55:11 

Tadidio kely ny fotoana nahazoanao Baiboly voalohany. Angamba fony ianao zaza izany, ary havana kristianina iray no nanome azy ho anao. Na mety ho ianao mihitsy no nividy nony lehibe. Na hafiriana na hafiriana no nanananao ny Baibolinao (mety manana dikanteny maro aza ianao), dia diniho ny tombambidy omenao io Boky io. Moa ve izany anankiray amin'ireo fanananao sarobidy indrindra, sa raisinao ho zavatra mandeha ho azy ny fananana ny Tenin'Andriamanitra velona eo am-pelatananao? Manana olana ve ianao momba ny faharetana eo amin'ny famakiana izany? Efa mba nanontany tena ve ianao hoe: Aiza no hanombohako? Ahoana no hamakiako ity Boky ity mba hanakaikezako kokoa an'Andriamanitra?

Hoy i Martin Luther: "Efa taona maro izay no namakiako ny Baiboly indroa isan-taona. Raha toa ka hazo lehibe sy mijoalajoala ny Baiboly ary rantsany madinika avokoa ny teny rehetra ao, dia ho nokasihiko tsirairay ireo rantsana ireo, noho ny faniriako fatratra ny hahalaia izay ao anatiny sy izay azony atolotra ahy."

Na manana fotoana handalinana Baiboly isan'andro ianao, na koa mikatona sy mipetraka matetika eo amin'ny talantalana fasiam-boky ny Baibolinao, dia izao no marina : azontsika rehetra atao ny hanana fotoana betsaka kokoa handinihana ny Baiboly miaraka amin'Andriamanitra.

Amin'ity herinandro ity isika dia hijery fomba vitsivitsy azo ampiharina mba hahafahana mandinika ny Tenin'Andriamanitra amin'ny fomba tsaratsara kokoa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal