Hodinihina mandritra ny herinandro: Jao. 15:1-8; Mar. 1:35; 1 rant. 16:11; Sal. 119:105; Isa. 50:4; Isa. 55:1-13.
Tsianjery : "Dia ho tahaka izany ny teniko izay aloaky ny vavako: Tsy hiverina amiko foana izy, raha tsy efa mahatanteraka izay sitrako ary ambinina amin'izay ampandehanako azy." - Isa. 55:11
Tadidio kely ny fotoana nahazoanao Baiboly voalohany. Angamba fony ianao zaza izany, ary havana kristianina fray no nanome azy ho anao. Na mety ho ianao mihitsy no nividy nony lehibe. Na hafiriana na hafiriana no nanananao ny Baibolinao (mety manana dikanteny maro aza ianao), dia diniho ny tombambidy omenao io Boky io. Moa ve izany anankiray amin'ireo fanananao sarobidy indrindra, sa raisinao ho zavatra mandeha ho azy ny fananana ny Tenin'Andriamanitra velona eo am-pelatananao? Manana olana ye ianao momba ny faharetana eo amin'ny famakiana izany? Efa mba nanontany tena ve ianao hoe: Aiza no hanombohako? Ahoana no hamakiako ity Boky ity mba hanakaikezako kokoa an'Andriamanitra?
Hoy i Martin Luther: "Efa taona maro izay no namakiako ny Baiboly indroa isan-taona. Raha toa ka hazo lehibe sy mijoalajoala ny Baiboly ary rantsany madinika avokoa ny teny rehetra ao, dia ho nokasihiko tsirairay ireo rantsana ireo, noho ny faniriako fatratra ny hahalaia izay ao anatiny sy izay azony atolotra ahy."
Na manana fotoana handalinana Baiboly isan'andro ianao, na koa mikatona sy mipetraka matetika eo amin'ny talantalana fasiam-boky ny Baibolinao, dia izao no marina: azontsika rehetra atao ny hanana fotoana betsaka kokoa handinihana ny Baiboly miaraka amin'Andriamanitra. Amin'ity herinandro ity isika dia hijery fomba vitsivitsy azo ampiharina mba hahafahana mandinika ny Tenin'Andriamanitra amin'ny fomba tsaratsara kokoa.