Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 01 August 2025

Vakio "ny Paska", PM, toko 24.

"Andro firavoravoana natao fahatsiarovana sy tandindona ny Paska. Tsy hoe fampahasiaro-vana ny fanafahana tamin'ny fanandevozana tany Egypta ihany izy, fa koa tandindon'ilay fanavotana lehibe hataori'i Jesôsy ho an'izao tontolo izao. Ny zanak'ondry hatao fanatitra dia tandindon'ny 'Zanak'ondrin'Andriamanitra', Ilay hany fanantenam-pamonjena ho antsika. Fa voavono Kristy 'Paska ho antsika' hoy ny apôstôly (1 Kôr. 5:7). Tsy ampy ny namonoana ny zanak'ondry, fa tsy maintsy natentina teo amin'ny tolam-baravarana koa ny rany. Dia toy izany koa no tsy maintsy hanolorana ny fahamendrehan'ny Mpamonjy amin'ny fanahy izay mino. Tsy hoe akory nanolotra ny ainy ho an'izao tontolo izao fotsiny Jesosy, fa koa ho an'ny tsirairay isam-batan'olona raha tahiny mandray ho an'ny tenany ny herin'ny sorona nataony izy." PM, t. 273 (ed 1985).

Mandraka ankehitriny dia mankalaza ny Paska, na Pesach, ny fianakaviana Jiosy mafana fo manerana izao tontolo izao. Manana ilay fomba antsoiny hoe "Séder de Pessa'h" (midika hoe "fandaharana/fandaminana" ny "Séder") izy ireo, ary mandritra izany dia mitantara ny nanafahana azy tamin'ny fanandevozan'ny Egyptianina izy ireo, avy eo miara-misakafo manokana amin'ny fianakaviana. Mahavariana fa voatahiry hatramin'ny fotoan'ny Eksodosy ka mandraka ankehitriny izany fomba izany! Ny Sabata andro fahafito kosa, izay tandreman'ny Jiosy koa, dia efa nisy hatramin'ny fahagola.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1.Ahoana no ahafahantsika mahatakatra ny "rariny" araka ny fisainan'ny Tompo rehefa namono ny lahimatoan'i Egypta Izy, izay maro tamin'izy ireo по azo antoka fa "tsy nanan-tsiny"? Ahoana no ahafahantsika mampifanaraka izany amin'ilay fahamarinana tsy azo jadian-kevitra momba ny maha-fitiavana an'Andriamanitra? Saino koa ny amin'ny Safodrano. Ahoana no fahatakarantsika izany?

2. Inona no hevitr'ilay fitenenana misy sary an'ohatra hoe: rakofan'ny ran'i Jesôsy ny mpino, ka ny rany no manadio azy ireo ho afaka amin'ny fahotany rehetra?

3.Vakio ity lahatsoratra ity: "Tsy maintsy nandia ny fiainan'i Jesôsy koa ny mpianatra. Tsy maintsy mandray sy mivelona amin'ny Tenin'Andriamanitra Izy mba hahatonga izany teny izany ho vy miaina hampihetsika ny fiainany rehetra. Tsy hanana aim-panahy mihitsy izy raha tahiny ka tsy mihinana ny nofo sy misotro ny ran'ny Zanak'Andriamanitra. Amin'izany ihany no hiovany araka ny endriny sy hahazoany mampiseho ny toetran'Andriamanitra eo aminy." - PM, t. 274. Ahoana no amelantsika an'i Kristy hanatanteraka izay voasoratra eto amintsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal