Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.

Daty
Alarobia 30 July 2025

Hazavain'ny mpanao salamo ny fomba ahafahan'ny zanatsika mahafantatra an'Andriamanitra sy ny fitiavany: "Ny taranaka rehetra samy hidera ny asanao amin'izay mandimby azy, sy hanambara ny asanao lehibe." -Sal. 145:4. Natao hifampiresaka momba an'Andriamanitra sy ny asa mahagaga nataony, ary ny ny fampianarany ny fianakaviana ana tsirairay mba hampitana ny fahalalana ara-Baiboly amin'ny taranaka manaraka.

Vakio ny Eks. 12:24-28. Inona no hevi-dehibe resahina eto?

Ny ray aman-dreny no mpampianatra voalohany tao Isiraely ary natao hanambara ny tantaran'ny Eksodosy (ny nanafahan'Andriamanitra azy tamin'ny fanandevozana tao Egypta) amin'ny zanany izy ireo. Tsy natao hotantarainy toy ny zava-nitranga fahiny teo amin'ny tantara fotsiny izany, fa natao hasehony toy ny fanandramana niainan'izy ireo manokana, na dia efa ela aza no nitrangan'izany. Mandritra io fankalazana io dia mandray ny toeran'ireo razambeny izy ireo, ary velomina sy iainana indray ny tantara. Hilaza ny raim-pianakaviana hoe: "Tany Egypta aho, hitako ny faharesen'ireo andriamanitra egyptianina sy ny loza tany Egypta, ary nafahan'Andriamanitra aho." Asongadina indroa ao amin'ny bokin'ny Eksodosy ny fomba tokony hamalian'ny ray aman-dreny ny fanontanian'ny zanany momba ny Paska (jereo ny Deo. 6:6-8 sy ny Eks. 13:14-16).

Tsara ny manamarika fa mbola tao Egypta ny Isiraelita rehefa nasaina nankalaza ny fanafahana azy ireo tamin'ny fanandevozan'ny Egyptianina. Araka izany, ny fankalazana rehetra dia fanehoam-pinoana. Rehefa nahazo ny toromarika izy ireo, dia "niondrika ny olona ka nivavaka" tamin'ny Mpanavotra azy Eks. 12:27, ary avy eo narahiny ny toromarika momba ny Paska.

Ao amin'ny bokin'ny Deoteronomia dia ampahatsiahivina ny Isiraelita mba hilaza ny tantara ho toy ny toe-javatra nandalovan'ny tenany manokana. Mariho ny fanehoana fanandramana iraisana ao amin'ity fitantarana ity, ary koa ny fanantitranterana ny fanandramana iainana ankehitriny: "Dia hiteny eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, día nivahiny tany mbamin'ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa. Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy. Dia nitaraina tamin'l Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika; ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran'i Jehôvah antsika nivoaka avy tany Egypta, dia nitondra antsika niditra teto amin'ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely. "- Deo. 26:5-9.

Ankoatra izany, rehefa mamerina mitantara ny tantaran'ny Paska (na tranga hafa ao amin'ny tantara masina) amin'ny zanany ny ray aman-dreny, dia manampy betsaka azy ireo izany tsy hanadino fa hahatsiaro mandrakariva izay nataon'Andriamanitra ho azy sy ho an'ny vahoaka. Na ho an'ny mpitantara na ho an'ny mpihaino, dia nahasoa io fitantarana io.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal