Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 6: ANDRIAMANITRA TIA NY RARINY - Fikiro ny fitiavana sy ny rariny.

Daty
Alakamisy 06 February 2025

Ampianarin'ny Soratra Masina antsika mandrakariva fa "Jehôvah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby "- Deo. 7:9. Ny fahafatesan'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana no fanehoana faratampony ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny fitiavany (jereo ny Rôm. 3:25,26; Rôm. 5:8). Hoy ny Sal. 100:5: "Fa tsara Jehôvah , mandrakizay ny famindrampony, ary mihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahamarinany." Sal. 100:5 (ampitahao amin'ny Sal. 89:2). Araka izany, dia azo itokiana Andriamanitra; ny fanomezana tsara ihany no atolony ny zanany (Jak. 1:17; ampitahao amin'ny Lio. 11:11-13). Raha ny marina, dia omeny zava-tsoa na dia ireo izay mitsangan-ko fahavalony aza.

Vakio ny Mat. 5:43-48. Inona no ampianarin'izany antsika momba ny fitiavan’Andriamanitra mahatalanjona? Ahoana no tokony hataontsika amin'ny hafa eo anatrehan'izany fampianaran'i Jesôsy izany?

Ambaran'ny Mat. 5 fa tonga lafatra ny fitiavan'Andriamanitra. Tsy tonga lafatra ny fitiavana izay tsy tia afa-tsy izay tia azy. Andriamanitra anefa dia tia na dia ireo mankahala Azy aza, eny fa na ireo mitsangan-ko fahavalony aza. Feno ny fitiavany ka tonga lafatra.

Na dia mihoatra lavitra noho izay mety ho takatry ny saina aza ny fitiavan'Andriamanitra sy ny famindrampony, dia tsy mihoatra na manohitra ny rariny izany. Mifanohitra amin'izany aza, mampihaona ny fahamarinana sy ny famindrampo izany (Sal. 85:10). Mananatra antsika toy izao koa ny Baiboly: "Tandremo ny famindram-po sy ny rariny. Ary miandrasa an'Andriamanitrao mandrakariva."- Hôs. 12:7. Ary izao no anambaran'ny dikanteny hafa izany: "Fikiro ny fitiavana sy ny rariny" (Hôs. 12:6, dikanteny ESV; ampitahao amin'ny Lio. 11:42).

Amin'ny farany, dia Andriamanitra mihitsy no hampanjaka fahamarinana tonga lafatra. Izao no ampianarin'ny Rôm. 2:5: "Hiseho ny fitsarana marin'Andriamanitra (dikanteny ESV). Farany, hihira toy izao ireo voavotra: "Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay. Iza no tsy hatahotra? Ary iza no tsy hankalaza ny anaranao, Tompo ô ? Fa Hianao ihany no masina, ary ny firenena rehetra ho avy hiankohoka eo anatrehanao; fa efa naharihary ny fitsarana marina nataonao." - Apôk. 15:3,4; ampitahao amin'ny Apôk. 19:1,2).

Hoy ny Isa. 25:1: "Jehovah ô, Andriamanitro Hianao; hanandratra Anao sy hidera ny anaranao aho, fa efa nanao zava-mahagaga Hianao, dia zavatra efa voakasa hatramin'ny ela sady mahatoky no marina indrindra." Ahoana no hianarantsika hidera an'Andriamanitra na dia amin'ny fotoana manjombona aza? Ahoana no hahatonga ny fiainanao ho fanati-piderana ho an'i Jehôvah amin'ny fomba izay hampiroborobo ny fahamarinana eo amin'ny manodidina anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal