NOSORATANA TEO AMIN'NY VATO
Vakio ny Jos. 8:32-35. Inona no hevitry ny zavatra natao izay voalazalaza ao amin'ireo andininy ireo, ary inona no tian'izany hambara amintsika amin'izao andro izao?
Ao amin'ny bokin'ny Deoteronomia (Deo. 11:29; Deo. 27:4,13) sy ny bokin'i Josoa (Jos. 8:30,33) ihany no iresahana momba ny tendrombohitra Ebala. Teo amin'io tendrombohitra io sy teo amin'ny tendrombohitra Gerizima no nasaina nanononana ny tso-drano sy ny fanozonana tao amin'ny fanekena. Raha ny marimarina kokoa, dia io tendrombohitra Ebala io no toerana nanononana ireo fanozonana, araka izay voalazan'ny Deo. 11:29 sy ny Deo. 27:4,13. Nasaina nitsangana teo andaniny roa amin'ny fiaran'ny fanekena ny Isiraelita, teo anatrehan'ireo mpisorona (Jos. 8:33). Ny sokajin'olona iray nitsangana nanandrify ny tendrombohitra Ebala, ary ny ankilany kosa nanandrify ny tendrombohitra Gerizima. Naneho ny fomba roa mety hifandraisana amin'ny fanekena izany toerana nisy azy ireo izany. Ny fanatitra nentin'izy ireo indray dia nanondro an'i Jesosy izay nitondra ny ozona rehetra ao amin'ny fanekena mba hahatonga izay rehetra mino Azy hahazo ny fitahiana ao amin'izany (Gal. 3:13; 2 Kor. 5:21).
Nahoana no nilaina ny nanao dika mitovy amin'ny fanekena teo amin'ny tsangambato iray izay azon'ny rehetra novakina? (Jereo ny Deo. 4:31; Deo. 6:12; Deo. 8:11,14; 2 Mpanj. 17:38; Sal. 78:7).
Manana fironana hanadino isika olombelona. Mihafohy hatrany ny ampaham-potoana anaovantsika ireo zava-takin'ny fiainana izay mihasarotra hatrany. Manjary tsy azo sorohina ny fanadinoantsika ireo zavatra tsy atao matetika na koa tsy dia manan-danja loatra. Ny fanompoam-pivavahana rehetra andraisana ny fanasan'ny Tompo dia tombontsoa manokana ho antsika hahafahana manolo-tena indray ho an'ny Tompo sy manavao ny fahatokiantsika amin'ny fanekena. Mahasoa ny mandray ireny fotoana manokana ireny ho tombontsoa hanavaozan'ny tsirairay ny fanoloran-tenany ary koa hanavaozan'ny besinimaro ny tokim-panoavany an'Andriamanitra. Monina ao anatin'ny fiaraha-monina mihamandrisika ny olona hizaka tena sy hifantoka amin'ny fampandrosoana ny tenany manokana isika ka tsy maintsy mianatra mamantatra indray ny lanjan'ny maha-ao anaty vondrona iray izay manana fomba fijery an'izao tontolo izao mitovy amin'ny antsika, manana ny soatoavina sy ny finoana mitovy amin'ny antsika, ary manana iraka mitovy amin'izay nomena antsika.
Ao anatin'ny hazakazaka sy ny firotorotoan'ny fiainana, mora ve ny manadino an'Andriamanitra sy ny miezaka manao zavatra amin'ny herin'ny tenanao sy ny fahaizanao manokana? Nahoana no mora tokoa ny manao izany, indrindra rehefa mizotra tsara ny flainantsika?