Hodinihina mandritra ny herinandro: Nom. 13:26-30; Jer. 36:20-26; 2 Tant. 36:15,16; Mat. 23:30-35; 1 Kôr. 10:6-12.
Tsianjery
"Ary izany dia nanjo azy mba ho anatra, sady voasoratra izany ho fananarana antsika izay niharan'ny faran'izao tontolo izao." - 1 Kôr. 10:11.
Maro ny olona amin'izao andro izao no ampirisihina hilaza izay heveriny manokana ho "fahamarinana" — izany hoe ny fanandramana niainany, ny heviny, ny zavatra ilainy, ny fetra apetrany tsy azo ihoarana, ary ny faharesen-dahatra ananany, na inona izany na inona. Araka io fomba fisainana io, dia manan-kery ny "fahamarinana" rehetra ka tsy tokony hosakanana na hampanginina. Inona kosa no mitranga raha toa mifanohitra amin'i Jesosy Kristy ilay Fahamarinana, sy ny Teniny voasoratra, ny sasany amin'ireo "fahamarinana" inoan'ny olona lalina ao am-pony ireo?
Izao no zava-mitranga: misy olona manaiky ireo fahamarinana ara-Baiboly ka miala amin'ny fahadisoany; fa ny hafa kosa mifikitra amin'ny laingany ihany. Misy ireo manova ny fitondrantenany rehefa mahalala ny fahamarinana, fa ny hafa kosa manohitra izany. Tahaka izany ny tantaran'ny olombelona hatramin'izay.
Matetika ireo mpaminany ao amin'ny Baiboly no nantsoina hitondra hafatra izay tsy tian'ny olona horenesina. Vokatr'izany dia maro tamin'izy ireny no nahazo fanakianana, nailiky ny fiarahamonina, ary nisy aza norahonana ho faty na novonoina mihitsy (Heb. 11:32–38). Na teo aza izany rehetra izany, dia nanambara tamim-pahatokiana ny hafatra nomena azy ireo mpaminanin'Andriamanitra, satria tsy safidiny ny fanendren'Andriamanitra azy ho mpaminany, fa toromarika mamonjy aina ho an'ny vahoakan'Andriamanitra. Noho izany, dia tsy maintsy nambara ny hafatra, na inona na inona sandany naloan'ilay mpaminany manokana.