MOFON'AINA SY RANON'AINA
Vakio ny 1 Kôr.10:11. Inona, araka ny voalazan'l Paoly, ny antony niraketana an-tsoratra Ireny tranga ireny?
Manazava i Paoly fa ohatra sy fampitandremana ho an'ny mpanara-dia an'i Kristy ny zava-nitranga rehetra tamin'ny Isiraelita, ary hanampy azy ireo tsy ho tratry ny olana efa nahavoa azy ireo; izany hoe, haka lesona avy amin'ny oha-piainany izy ireo. Toromarika manan-danja ho antsika izany, dia isika "Izay niharan'ny faran'izao tontolo izao". Omen'Andriamanitra ny vahoakany ny Fanahy Masina mba hanatanjahana ny mpino amin'ny "fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena" 2 Tim. 1:6,7, mba hahaizan'izy ireo mandray fanapahan-kevitra tsara sy manaraka ny fampianarany. I Jesôsy Kristy no Loharanon'ny fiainana vaovao (Jao 14:6), ary Izy irery ihany no mahay manova antsika "ho fanatitra velona, masina, sitrak'Andriamanitra (...). Ary aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao; fa miovà amin'ny fanavaozana ny saina, hamantaranareo ny sitrapon'Andriamanitra, dia izay tsara sady ankasitrahana no marina." - Rôm. 12:1,2.
Naka fampianarana avy amin'ireo fitantarana ireo i Jesôsy taty aoriana, mikasika ny mana sy ny rano manokana, ka nataony sary an'ohatra ireo nampianarana fahamarinana momba ny Tenany, Izay nitarika azy ireo namakivaky ny tany efitra.
Vakio ny Jao. 4:7-15 sy ny Jao. 6:31-51. Inona avy ireo fahamarinana ambara amintsika eto, amin'ny maha-Kristianina antsika?
Hitan'ilay vehivavy Samaritana fa fanomezana izay tsy ho azony velively any an-kafa no natolotr'i Kristy azy. Avy amin'Andriamanitra ny hetaheta ao anaty, te hahazo fiadanana sy fifaliana ary fahasambarana; noho izany, Andriamanitra irery ihany no mahay manome fahafaham-po ny amin'izany (Sal. 42:1,2).
Nanazava i Jesôsy, momba ny mana, fa Andriamanitra no nanome izany ho an'ny olona, fa tsy i Mosesy tsy akory. Ary nilaza i Jesôsy hoe: "Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana" - Jao. 6:35. Naverin'i Jesosy intelo fa Izy no Mofon'aina (Jao. 6:35,41,48).
Tahaka ny mana tany an'efitra, izay "mofo avy tany an-danitra" (Jao. 6:31,32), dia toy izany koa ny rano avy tamin'ny vatolampy; fanomezan'i Kristy hahafa-po ny hetahetan'izy ireo izany. Ankoatra ireo lafiny ara-nofo ireo, ny mofo sy ny rano dia misy heviny ara-panahy koa, satria i Jesôsy Kristy no "mofon'aina" (Jao. 6:35,48) sy "rano velona" (Jao. 4:10,11,14; Jao. 7:37,38). Ao Aminy irery ihany, noho izany, no tena ahazoantsika izay ilaintsika, hahafaka marina ny hetaheta sy ny hanoanantsika ara-panahy.