Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 14 August 2026

RH, 28 Aogôsitra 1888, tt. 545,546, "The Need of Love".

"Na dia mendrika toy inona aza ny finoan'ny Kristianina iray raha tsy miboiboika fitiavana an'Andriamanitra ny fony, ary tia ny namany, dia tsy tena mpianatr'i Kristy izy. Mety hanana finoana goavana izy, ka hahavita fahagagana, nefa raha tsy manana fitiavana izy, dia tsinontsinona ny finoany. Raha nampiseho fahalahan-tsaina fatratra izy, nefa tsy entanin'ny tena fitiavana eo am-pizarany ny fananany ho an'ny malahelo, dia tsy hahazoany sitraka amin'Andriamanitra ny asam-piantrana ataony. Noho ny hafanam-pony hanao ny asan'i Kristy, dia mety hiharan'ny fanenjehana ho maritiora izy; nefa raha tsy ny fitiavana no tena manosika azy, dia ho toy ny manao hafanam-po tsy misy antony izy ary ho toy ny mpihatsaravelatsihy no ijeren ‘Andriamanitra azy." - VM, tt. 278,279.

"Manana toriteny maro be isika. Ny tena ilaina indrindra (...) dia ny fitiavana ireo fanahy eo an-dalam-pahaverezana, fitiavana izay mikoriana sy mitosaka avy eo amin'ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Mampiely fitiavana manerana ny maha-olona manontolo ny tena fivavahana kristianina marina. Mahakasika ny ampahany manan-danja tsirairay izany - ny atidoha, ny fo, ireo tanana manampy, ny tongotra ka manampy antsika hijoro tsy azo hozongozonina eo amin'izay asain'Andriamanitra hijoroantsika, 'ndrao ho diso lalana ny mandringa.' Ny fitiavan'i Kristy miredareda sy mandoro ao anaty, ho an'ireo fanahy efa ho faty, no fiainan'ny rafi-pivavahana kristianina manontolo." - LU, t. 134.

"Ny fitiavana izay mivoaka avy ao am-pon'i Kristy ihany no manasitrana. Ny olona izay ikorianan'izany fitiavana izany ihany, tahaka ny tsiron-java-maniry ao amin'ny hazo na ny ra ao amin'ny vatana, no afaka hanarina indray ny fanahy naratra." - FK, t. 124.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Araka ny hevitrao, efa feno ve ka tsy mila ampiana intsony ny lisitr'ireo endrika tsara isehoan'ny fitiavana nambaran'i Paoly? Raha tsy feno izany, inona ireo singa hafa azonao ampiana amin'ilay lisitra?

2. Inona, araka ny hevitrao, no tian'i Paoly hambara amin'ilay baikony hoe «Miezaha mitady ny fitiavana» - 1 Kor. 14:17 Inona no ifandraisan'izany amin'izay nolazainy ao amin'ny 1 Kor. 13:4-77

3. Iza amin'ireo fisehon'ny fitiavana ireo no tena ilainao indrindra eo amin'ny fiainanao andavanandro? Iza amin'ireo no ilaina kokoa ao amin'ny fiangonana misy misy anao? a Ary nahoana moa i Paoly no mampitaha ny fitiavana amin'ny fanomezam-pahasoavana toy ny faminaniana, ny fiteny tsy fantatra, ary ny fahalalana (1 Kor. 13:8)?

4. Manazava i Paoly fa ny fitiavana no vahaolana faratampony amin'ny tsy fisian'ny firaisan-tsaina eo amin'ireo mambra tao Korinto. Nahoana? Ahoana no ampiharana izany ao amin'ny fiangonantsika ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.
Mon 21 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fitiavan’Andriamanitra.
Tue 22 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ilay Andriamanitra fitiavana.
Wed 23 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny firaisana amin’ny Fanahy Masina.
Thu 24 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - Ny Andriamanitsika telo ilay.
Fri 25 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITIAVANA ARY FIRAISANA - FIanarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (35)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal