Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.

Daty
Alakamisy 13 August 2026

Nianarantsika hatreto fa ny fitiavana dia mahari-po, mora fanahy, feno fifaliana, mandefitra, mino, manantena, ary maharitra (na miaritra) satria i Jesosy dia izany rehetra izany. Rehefa hitantsika ao amin'i Jesosy ireo toetra ireo, ny dingana manaraka dia ny hanahaka Azy. Izany no fanirian'i Paoly ho an'ny Korintiana. Kanefa, raha esorintsika ny teny hoe "tsy" ao amin'ireo toetra valo momba ny tsy atao hoe fitiavana, «dia mahazo sary mazava ny amin'ny fitondrantenan'ny Korintianina tao anatin'ny fiangonana isika: mialona, mirehareha, mieboebo, manao izay tsy mahamendrika, mitady ny azy ihany, mora sosotra, ary mitsongoloka ny fahadisoan'ny hafa. Nampifanarahan'i Paoly tamin'ny toe-javatra nisy ireo Korinto ireo matoanteny nampiasainy eto.>> - Verlyn Verlyn D. Verbrugge, "1 Corinthians," in The Expositor's Bible Commentary: Romans-Galatians, t. 372.

Maro no mbola tokony hianaran'ny Korintianina. Tahaka izany koa isika. Rehefa avy nilazalaza izay ataon'ny fitiavana sy izay tsy ataony i Paoly, dia namarana io fizarana io tamin'ny fanasongadinana ny maha-mandrakizay ny fitiavana mba handrisihana ny fanehoana ny fitiavana marina.

Indray andro any, tsy hilaina intsony ny faminaniana; fiteny iray ihany no hifampiresahantsika; ary ny fahalalan'olombelona izay tsy tanteraka dia hosoloana fahalalana vaovao tanteraka an'Andriamanitra (1 Kor. 13:12). Hitsahatra ny fanomezam-pahasoavana rehefa ho tratra ny tanjona nampisy azy (1 Kor. 13:10). Fa «ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay»! - 1 Kor. 13:8.

Toy izany koa rehefa miverina i Kristy; hisolo toerana ny finoana ny fahitana (2 Kor. 5:7), ary ho tonga zava-misy izay nantenaintsika hatry ny ela (Rôm. 8:24). Ary ny zava-dehibe indrindra, haharitra ny fitiavana, izay marika famantarana ny toetran'Andriamanitsika Telo Izay Iray. Kanefa, amin'ny heviny iray, dia haharitra mandrakizay koa ny finoana sy ny fanantenana. Ny finoana amin'ny maha-fanandramana ny famonjena azy (Rôm. 4:3), sy ny fanantenana amin'ny maha-faniriana sy fiandrasana ny fifaliana sy fahalalana vaovao any amin'ny tany vaovao, dia hanamarika mandrakizay ny fiainan'ireo voavotra. Kanefa ny fitiavana, dia ny fitiavan'Andriamanitra, no tena hanjaka mandrakizay.

Tsy ho ela dia hahita ny Tompontsika mifanatrika isika (1 Kor. 13:12). Mandra-pahatongan'izany andro izany, dia ireto telo ireto no tokony hamolavola ny fiainantsika: finoana, fanantenana, ary fitiavana. Maneho ny fahafenoan'ny fiainana kristianina amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ireo telo ireo. Izany no antony niresahana izany matetika teo anivon'ny Kristianina (Rôm. 5:1-5; Gal. 5:5,6; Efes. 1:15,18; 4:1-5). Ny fitiavana anefa no lehibe indrindra amin'ireo; io rahateo no hany toetra tsara mamaritra ny maha-Izy an'Andriamanitra mihitsy (1 Jao. 4:8).

Saintsaino ny hoe "Andriamanitra dia fitiavana". Ahoana no tokony hahatakarantsika ny tena hevitr'izany? Na dia ampahany ihany aza no mety ho takatsika amin'izany hevitra izany, nahoana io andalan-teny io no vaovao mahafaly ho antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal