Nianarantsika hatreto fa ny fitiavana dia mahari-po, mora fanahy, feno fifaliana, mandefitra, mino, manantena, ary maharitra (na miaritra) satria i Jesosy dia izany rehetra izany. Rehefa hitantsika ao amin'i Jesosy ireo toetra ireo, ny dingana manaraka dia ny hanahaka Azy. Izany no fanirian'i Paoly ho an'ny Korintiana. Kanefa, raha esorintsika ny teny hoe "tsy" ao amin'ireo toetra valo momba ny tsy atao hoe fitiavana, «dia mahazo sary mazava ny amin'ny fitondrantenan'ny Korintianina tao anatin'ny fiangonana isika: mialona, mirehareha, mieboebo, manao izay tsy mahamendrika, mitady ny azy ihany, mora sosotra, ary mitsongoloka ny fahadisoan'ny hafa. Nampifanarahan'i Paoly tamin'ny toe-javatra nisy ireo Korinto ireo matoanteny nampiasainy eto.>> - Verlyn Verlyn D. Verbrugge, "1 Corinthians," in The Expositor's Bible Commentary: Romans-Galatians, t. 372.
Maro no mbola tokony hianaran'ny Korintianina. Tahaka izany koa isika. Rehefa avy nilazalaza izay ataon'ny fitiavana sy izay tsy ataony i Paoly, dia namarana io fizarana io tamin'ny fanasongadinana ny maha-mandrakizay ny fitiavana mba handrisihana ny fanehoana ny fitiavana marina.
Indray andro any, tsy hilaina intsony ny faminaniana; fiteny iray ihany no hifampiresahantsika; ary ny fahalalan'olombelona izay tsy tanteraka dia hosoloana fahalalana vaovao tanteraka an'Andriamanitra (1 Kor. 13:12). Hitsahatra ny fanomezam-pahasoavana rehefa ho tratra ny tanjona nampisy azy (1 Kor. 13:10). Fa «ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay»! - 1 Kor. 13:8.
Toy izany koa rehefa miverina i Kristy; hisolo toerana ny finoana ny fahitana (2 Kor. 5:7), ary ho tonga zava-misy izay nantenaintsika hatry ny ela (Rôm. 8:24). Ary ny zava-dehibe indrindra, haharitra ny fitiavana, izay marika famantarana ny toetran'Andriamanitsika Telo Izay Iray. Kanefa, amin'ny heviny iray, dia haharitra mandrakizay koa ny finoana sy ny fanantenana. Ny finoana amin'ny maha-fanandramana ny famonjena azy (Rôm. 4:3), sy ny fanantenana amin'ny maha-faniriana sy fiandrasana ny fifaliana sy fahalalana vaovao any amin'ny tany vaovao, dia hanamarika mandrakizay ny fiainan'ireo voavotra. Kanefa ny fitiavana, dia ny fitiavan'Andriamanitra, no tena hanjaka mandrakizay.
Tsy ho ela dia hahita ny Tompontsika mifanatrika isika (1 Kor. 13:12). Mandra-pahatongan'izany andro izany, dia ireto telo ireto no tokony hamolavola ny fiainantsika: finoana, fanantenana, ary fitiavana. Maneho ny fahafenoan'ny fiainana kristianina amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ireo telo ireo. Izany no antony niresahana izany matetika teo anivon'ny Kristianina (Rôm. 5:1-5; Gal. 5:5,6; Efes. 1:15,18; 4:1-5). Ny fitiavana anefa no lehibe indrindra amin'ireo; io rahateo no hany toetra tsara mamaritra ny maha-Izy an'Andriamanitra mihitsy (1 Jao. 4:8).
Saintsaino ny hoe "Andriamanitra dia fitiavana". Ahoana no tokony hahatakarantsika ny tena hevitr'izany? Na dia ampahany ihany aza no mety ho takatsika amin'izany hevitra izany, nahoana io andalan-teny io no vaovao mahafaly ho antsika?