Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.

Daty
Alatsinainy 10 August 2026

Ny 1 Kor. 13:4-7 no ivon'io toko io. Mifantoka amin'ireo endrika isehon'ny fitiavana i Paoly - toy ny ahoana ny fitiavana ary toy ny ahoana ny tsy fitiavana? Inona no ataon'ny fitiavana ary inona no tsy ataony? Maneho ohatra mivaingana momba izany izy mba hahafahantsika mahazo sary an-tsaina ny fitondrantenan'ny olona iray feno fitiavana, tarihin'ny Fanahy Masina. Ampifandimbiasan'i Paoly ny matoanteny maro eo am-panoritsoritany ny fitiavana, Ho azy dia mahakasika ny asa kokoa ny fitiavana, noho ny fihetseham-po.

Inona àry no ataon'ny fitiavana?

  1. Mahari-po (makrothymeō): Ny hoe makrothymeð dia midika hoe maneho faharetana, na dia ao anatin'ny toe-javatra sarotra aza. Manasongadina ny fahaizana mifandefitra koa ny faharetana (Éfes. 4:2).
  2. Mora fanahy (chrēsteuomai): Eto ihany no ahitana ny teny chrësteuomai ao amin'ny TV, saingy misy teny hafa iray fototeny aminy hita any amin'ny andininy hafa. Ao amin'ny "Septante" (ny dikan-teny grika amin'ny Testamenta Taloha), ny ny teny avy amin'io fototeny io dia hita matetika ao amin'ny Salamo mba hanondroana ny hatsaram-panahin'Andriamanitra sy ny sy ny famindram-pony (Sal. 145:9). Ny tian'i Paoly hambara amin'ny fampiasany io teny io dia izao: tsy maintsy tahaka ny fangorahana sy ny famindram-pon Andriamanitra amintsika ny fitiavantsika ny hafa.
  3. Miara-mifaly (synchairō) amin'ny fahamarinana: Ny hoe synchairō dia manondro ny fahaizana mifaly miaraka amin'ny hafa (Lio. 1:58; Lio. 15:6,9; 1 Kor. 12:26; Fil. 2:17,18).
  4. Mandefitra (stegő) ny zavatra rehetra: Miady hevitra ny mpandinika raha midika hoe "manarona" ny hoe stego, izany hoe mihazona zavatra ho tsiambaratelo (izay manana hevitra fiarovana koa), na midika hoe "miaritra", amin'ny heviny hoe mifahatra. Hita mazava ao amin'ny 1 Kôr 9:12 ny hevitra momba ny fiaretana, izay mahatonga ny ankamaroan'ny mpandika teny sy mpandinika ny Baiboly hifidy ilay hevitra faharoa ho azo antoka kokoa.
  5. Mino (pisteuő) ny zavatra rehetra: Ny hoe pisteuō dia iray fototeny amin'ilay teny grika ho an'ny finoana (pistis). Ao amin'ny tontolon-kevitry ny 1 Kor. 13, ny hoe mino ny zavatra  re. hetra dia midika hoe tsy miahiahy ny namana na misy aza ny fisalasalana.                                                                                  
  6. Manantena (elpizō) ny zavatra rehetra: Ao amin'ny Testamenta Vaovao, ny matoanteny elpizo dia manondro mandrakariva fananan-toky na fanantenana fa hisy zavatra tsara hitranga.
  7. Maharitra (hypomenō) ny zavatra rehetra: Azo inoana fa tsy misy fahasamihafana ny matoanteny stego sy hypomeno ao amin'ny 1 Kor. 13:7. Teny mitovy hevitra izy ireo, izay midika hoe fiaretana ao anatin'ny fahoriana. Nampiasa ny hypomenő eo amin'ny faran'ny andininy i Paoly mba hialana amin'ny famerenana ny stego. Ny famerenany io hevitra io ihany amin'ny teny samy hafa, dia mba hisarihana ny saina amin'ny hoe: ny finoana sy ny fanantenana no ivony. Toy izao raha lazaina amin'ny teny hafa: maharitra ny fitiavana noho ny finoana sy ny fanantenana.

Ampitahao ny 1 Kor. 13:4-7 amin'ny Gal. 5:22,23. Inona no iraisan'ireo andalan-teny roa Ireo? Ahoana no ahafahantsika maneho izany karazam-pitiavana izany eo amin'ny fiainantsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal