Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Eo an-tendrombohitra Ziona.

Daty
Alatsinainy 19 May 2025

Hitantsika ao amin'ny Apôk. 14 ireo vahoakan' Andriamanitra mitsangana eo an-tendrombohitra Ziona. Teo andrefan'ny tananan'i Jerosalema fahiny no nisy ny tendrombohitr'i Ziona tany am-boalohany ary noheverina fa teo no nitoeran'ny seza fiandrianan'Andriamanitra na ny fanatrehany teo anivon'ny vahoakany. Taty aoriana, dia nantsoina koa hoe Ziona ny tendrombohitra nisy ny tempoly, izay teo an-tendrombohitra Moria.

Raha lazaina amin'ny teny hafa, izany fanehoana manan-danja ny vahoakan' Andriamanitra sisa amin'ny andro farany izany dia hita ao amin'ny fiteny ampiasaina mifandraika amin'ny fitoerana masina, tahaka ny ankamaroan'ireo toe-javatra manan-danja ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy ihany. Noho ny amin'ny Zanak'ondry no maha-eo an-tendrombohitra masina ny vahoakan'Andriamanitra.

Vakio ny Sal. 15 sy 24, izay ametrahan'i Davida fanontaniana manan-danja tokoa: "iza no honina ao an-tendrombohitrao masina?" Ampitahao amin'ny fanoritsoritana ny vahoaka mitsangana eo Ziona ao amin'ny Apôk . 14:1-5 ny valintenin'i Davida ao amin'ireo Salamo ireo. Inona no fitoviana hitanao? Ahoana no ahafahantsika miditra ho isan'ireo? Inona no hevitry ny hoe: voasoratra eo amin'ny handrin'izy ireo ny anaran'ny Ray (Apok. 14:1)?

Sarotra ho an'ny mpanota ny hahatanteraka ny fepetra takina amin'ireo izay mahazo mankeo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra ao amin'ny Salamo nataon'i Davida. Iza amintsika moa no afaka hilaza tsy amim-pihambahambana fa nandeha tamin'ny fahitsiana mandrakariva? Na koa nisaintsaina marina tao am-pony mandrakariva (Sal. 15:2)? Tsy misy afaka hilaza fa "tsy mba hangozohozo mandrakizay" izy (Sal. 15:5). Raha milaza isika fa tsy mbola nanota, dia ampianarin'ny Baiboly fa tsy manana ny marina ao anatintsika isika (1 Jao. 1:8).

Tsy misy tsoa-kevitra hafa azontsika raisina ankoatra izao: noho ny amin'ny Zanak'ondry no ahafahantsika mitsangana eo Ziona. Tsy voatonona ao amin'ny Salamon'i Davida ny Zanak'ondry saingy hita ao amin'ny Apôk . 14. Toy ny hoe mamaly ny fanontanian'i Davida ny Apôk. 14. Ankehitriny dia mitoetra ao an-tendrombohitra Ziona ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, ao amin'ny fitoerana masina, koa azontsika atao koa ny mankao noho ny amin'ny fahamarinany tonga lafatra izay atafy antsika amin'ny alalan'ny finoana. Azontsika atao ny hanana fahasahiana "hiditra ao amin'ny fitoerana masina (...) noho ny ran'i Jesôsy , amin'izay làlana natokany ho antsika, dia lalana vaovao sady velona, namaky teo amin'ny efitra lamba, dia ny nofony" - Heb. 10:19,20. Raha tsy noho izany ran'i Jesôsy izany, inona moa no azontsika antenaina? Tsy misy.

Eritrereto ireo teny fikasan'ny Baiboly rehetra momba ny fandresena ny fahotana. Na dia eo aza ireo fampanantenana ireo, nahoana isika no mbola tsy mahatratra ny ohatra tonga lafatra napetrak'i Jesôsy harahintsika ihany? Ary nahoana isika no mila ny fiainany tonga lafatra ho solontsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (21)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal