Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Salamo 5.

Daty
Alarobia 21 May 2025

Vakio ny Sal. 5. Asehon'i Davida ao amin'io asa sorany io ny fahasamihafana lehibe eo amin'ireo izay very sy ireo voavotra. Ampitahao amin'ny fomba fiteny ampiasaina ao amin'ny Apôk . 14:1-12 io Salamo io. Inona ny fitoviana hitanao ao, ary ahoana no hanampian'izany anao hahatakatra ny hevitr'izany hoe ao anatin'ny fihetsehan'ny vahoakan'Andriamanitra sisa amin'ny andro farany?

Tsara homarihina ny fanasongadinan'i Davida ny filazana fa "tsy hitoetra" miaraka amin'Andriamanitra ny ratsy (Sal. 5:4). Ny mba hitoeran'Andriamanitra eo amin'ny vahoakany no antony nanorenana ny tabernakely, ary tahaka izany koa any amin'ny fanjakan'i Kristy (jereo ny Apôk. 21:3). Ireo voavotra ihany no hanatona ny seza fiandrianan Andriamanitra.

Tsara koa ny manamarika fa milazalaza momba ny fiankohofana i Davida ao amin'ny Sal. 5:7, ny fiankohofana izay ivon'ny olana ao anatin'ny fifanandrinana lehibe. Indimy ny Apôk. 13 no mamerina ny teny hoe "miankohoka", ary ny hafatry ny anjely telo dia miantso an'izao tontolo izao hoe: "miankohofa eo anoloan'Izay nanao (...)." Milaza amintsika i Davida fa "matahotra" an'Andriamanitra izy, ary ny hafatry ny vahoaka sisa dia manao izao antso izao amin'izao tontolo izao: "Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany." - Apôk. 14:7.

Voalaza koa fa tsy misy "lainga" eo am-bavan'ireo izay voavotra ao amin'ny Apôk. 14; mpilaza ny marina izy ireo, ary ny teny sy ny asa ataony dia maneho taratra ny toetran'Andriamanitra feno fahamarinana. Ambaran'i Davida fa "tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavan'ny ratsy fanahy (Sal. 5:9).

Toe-javatra mahatalanjona no tantarain'i Jaona ao amin'ny ampahan-dahatsoratra manan-danja indrindra ao amin'ny Apôkalipsy: navotana tamin'ny fahafatesana ireo olona mpanota ary nomena tombontsoa hijoro eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. Tsy nanana fahamendrehana hanao izany izy ireo fa nomena azy izany noho ny amin'llay Zanak'ondrin'Andriamanitra - ny Zanak'olona izay marina miara-mitsangana aminy eo. Voavela heloka izy ireo ary voavotra; tsy hilanja ny helony intsony izy (ampitahao amin'ny Sal. 5:10) satria efa nentin'ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra ho azy ireo izany (ampitahao amin'ny Isa. 53:12 sy ny 2 Kôr. 5:21).

Tsy hay ny hangina fotsiny amin'izao rehefa voasoratra ao am-po ny anaran'Andriamanitra. Manao antsom-pamindrampo farany amin'ny "feo mahery" ny vahoakan'Andriamanitra (Apôk. 14:7). "Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao." - Sal. 5:11.

Alao sary an-tsaina ianao mijoro eo anoloan'ilay Andriamanitra masina sy tonga lafatra ao amin'ny fitsarana ka miharihary eo anatrehany amin'izany ny asa rehetra vitanao. Inona no ambaran'izany mikasika ny filanao ny fahamarinan'i Kristy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal