Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Salamo 5.

Daty
Alarobia 21 May 2025

Vakio ny Sal. 5. Asehon'i Davida ao amin'io asa sorany io ny fahasamihafana lehibe eo amin'ireo izay very sy ireo voavotra. Ampitahao amin'ny fomba fiteny ampiasaina ao amin'ny Apôk . 14:1-12 io Salamo io. Inona ny fitoviana hitanao ao, ary ahoana no hanampian'izany anao hahatakatra ny hevitr'izany hoe ao anatin'ny fihetsehan'ny vahoakan'Andriamanitra sisa amin'ny andro farany?

Tsara homarihina ny fanasongadinan'i Davida ny filazana fa "tsy hitoetra" miaraka amin'Andriamanitra ny ratsy (Sal. 5:4). Ny mba hitoeran'Andriamanitra eo amin'ny vahoakany no antony nanorenana ny tabernakely, ary tahaka izany koa any amin'ny fanjakan'i Kristy (jereo ny Apôk. 21:3). Ireo voavotra ihany no hanatona ny seza fiandrianan Andriamanitra.

Tsara koa ny manamarika fa milazalaza momba ny fiankohofana i Davida ao amin'ny Sal. 5:7, ny fiankohofana izay ivon'ny olana ao anatin'ny fifanandrinana lehibe. Indimy ny Apôk. 13 no mamerina ny teny hoe "miankohoka", ary ny hafatry ny anjely telo dia miantso an'izao tontolo izao hoe: "miankohofa eo anoloan'Izay nanao (...)." Milaza amintsika i Davida fa "matahotra" an'Andriamanitra izy, ary ny hafatry ny vahoaka sisa dia manao izao antso izao amin'izao tontolo izao: "Matahora an'Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany." - Apôk. 14:7.

Voalaza koa fa tsy misy "lainga" eo am-bavan'ireo izay voavotra ao amin'ny Apôk. 14; mpilaza ny marina izy ireo, ary ny teny sy ny asa ataony dia maneho taratra ny toetran'Andriamanitra feno fahamarinana. Ambaran'i Davida fa "tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavan'ny ratsy fanahy (Sal. 5:9).

Toe-javatra mahatalanjona no tantarain'i Jaona ao amin'ny ampahan-dahatsoratra manan-danja indrindra ao amin'ny Apôkalipsy: navotana tamin'ny fahafatesana ireo olona mpanota ary nomena tombontsoa hijoro eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra. Tsy nanana fahamendrehana hanao izany izy ireo fa nomena azy izany noho ny amin'llay Zanak'ondrin'Andriamanitra - ny Zanak'olona izay marina miara-mitsangana aminy eo. Voavela heloka izy ireo ary voavotra; tsy hilanja ny helony intsony izy (ampitahao amin'ny Sal. 5:10) satria efa nentin'ilay Zanak'ondrin'Andriamanitra ho azy ireo izany (ampitahao amin'ny Isa. 53:12 sy ny 2 Kôr. 5:21).

Tsy hay ny hangina fotsiny amin'izao rehefa voasoratra ao am-po ny anaran'Andriamanitra. Manao antsom-pamindrampo farany amin'ny "feo mahery" ny vahoakan'Andriamanitra (Apôk. 14:7). "Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao." - Sal. 5:11.

Alao sary an-tsaina ianao mijoro eo anoloan'ilay Andriamanitra masina sy tonga lafatra ao amin'ny fitsarana ka miharihary eo anatrehany amin'izany ny asa rehetra vitanao. Inona no ambaran'izany mikasika ny filanao ny fahamarinan'i Kristy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal