Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny hevitry ny lahatsoratra.

Daty
Alarobia 18 November 2026

Ny Kristianina rehetra dia tokony hahatakatra ny Baiboly ho an'ny tenany manokana. Mazava tsara ny Baiboly mba hahafahan'ny olona rehetra mahatakatra ny lalam-pamonjena, nefa lalina koa ka saro-takarina na ho an'ny marani-tsaina indrindra aza. Harem-pahalalana tsy hita lany mitondra famonjena ny Soratra Masina, izay tsy mety ho voatrandraka tanteraka mihitsy.

Vakio ny Lio. 10:25-28. Misy olona milaza fa tsy mila hazavaina ny Baiboly. Raha marina izany, nahoana àry i Jesôsy no nanontany an'ilay mpahay lalàna hoe: "Inona no voasoratra ao amin'ny Lalàna? Ahoana no fahazoanao azy?" – Lio. 10:26, DIEM.

Mba hahatakarana ny hevitry ny lahatsoratra iray, dia ilaina aloha ny mahatakatra ireo teny ampiasaina ao aminy, avy eo ny fomba ampiasana ireo teny ireo ao anatin'ny tontolon-kevitra ara-literatiora misy azy sy ao anatin'ny tontolon-kevitra ankapoben'ny Baiboly. Ilaina koa ny mandinika ny toe-javatra ara-tantara sy ara-kolontsaina misy azy, araka izay azontsika atao. Farany, ny fehin-kevitra tsoahintsika dia tsy maintsy mifandrindra tanteraka amin'ny fampianaran'ny Soratra Masina ankapobeny. Azontsika ampitomboina ny fahalalantsika amin'ny fampitahana ireo lohahevitra mitovy ao amin'ny Soratra Masina — tahaka ny fanao matetika amin'ireo Filazantsara efatra.

Ampitahao ny Mat. 5:43-48 sy ny Lio. 6:27-36. Ahoana no anampian'ny tontolon-kevitra misy ny Mat. 5:43-48 sy ilay andininy mifanindran-dalana aminy ao amin'ny Lio. 6:27-36 antsika hahatakatra bebe kokoa ny hevitry ny teny hoe "tanteraka" ao amin'ny Mat. 5:48?

Anisan'ny toetra manan-danja indrindra tokony hananan'izay manazava amim-pahatokiana ny Soratra Masina ny fandinihana izany amim-pitandremana sy fanetren-tena. Aoka tsy hohadinoina fa tsy misy olona mahalala tanteraka ny fahamarinana rehetra; samy mizaha ao amin'ny fitaratra isika ka tsy mahita marina.

Tokony hataontsika mandrakariva izay hahafantarana ny fampianarana tsy misy kilema (2 Tim. 4:1-5). Iray amin'ny fitsipika manan-danja tokony harahintsika ny mifantoka amin'izay efa takatsika tsara sy mazava amintsika. Eo no iaingantsika, ary matetika rehefa mandeha ny fotoana, dia hanampy antsika izany hahatakatra amin'ny hoavy ireo hevitra tsy mbola mazava amintsika ankehitriny. Hisy hatrany ny fanontaniana tsy voavaly raha tsy mbola tonga any amin'ny mandrakizay isika.

Saino ny fotoana izay tsy nahatakaranao zavatra iray ka tena nanelingelina anao izany, nefa tatỳ aoriana dia azonao tsara izany rehefa nohazavaina taminao. Ahoana no tokony hanampian'izany fanandramana izany anao hatoky an'Andriamanitra momba ireo zavatra ao amin'ny Teniny izay mbola tsy takatrao mazava ankehitriny?
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 15 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny Baiboly no manazava ny tenany.
Mon 16 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-tantara sy ara-kolon-tsaina.
Tue 17 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Tontolon-kevitra ara-literatiora.
Wed 18 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Ny hevitry ny lahatsoratra.
Thu 19 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Famelabelarana ara-tsoratra Masina.
Fri 20 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Mamaky ny Bokin’i ELLEN G. WHITE.
Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.
Sun 08 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Tezitra tamin’ny mpitondra hafatr’Andriamanitra.
Mon 09 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 1).
Tue 10 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Nopotehina ny hafatra (fizarana 2).
Wed 11 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fihatsarambelatsihy.
Thu 12 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Ho fananarana antsika.
Fri 13 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Naharay sy nampita hafatra.
Sat 14 Nov 2026
Lesona 8 : NY FANAZAVANA IREO FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY- Fampidirana
Sun 22 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Mon 23 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Tue 24 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Wed 25 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Thu 26 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Fri 27 Nov 2026
Lesona 9 : MIZAHA TOETRA NY MPAMINANY-
Sat 28 Nov 2026
Lesona 10 : NY FAHEFAN'NY FAMINANIANA SY NY FAHAMARINANY ANKEHITRINY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal