Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - " Pantokrator "

Daty
Alatsinainy 17 February 2025

Hita manerana ny Soratra Masina ny herin'Andriamanitra mahatalanjona. Milaza tantara maro be momba ny fampiasany ny Heriny sy ny fanaovany fahagagana ny Baiboly. Na eo aza izany dia toe-javatra maro no mitranga nefa tsy tian'Andriamanitra hitranga.

Vakio ny Apôk. 11:17: Jer. 32:17-20; Lio. 1:37 ary ny Mat. 19:26. Diniho koa ny Heb. 1:3. Inona no ampianarin'ireo andalan-teny ireo antsika momba ny herin Andriamanitra?

Ampianarin'ireo andalan-teny ireo sy ny hafa koa fa mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra ary mamelona an'izao tontolo izao amin'ny heriny. Averimberin'ny Apokalipsy ny maha-"Tompo , Andriamanitra Tsitoha" an'i Jehôvah (jereo ohatra ny Apôk. 11:17; ampitahao amin'ny 2 Kôr. 6:18; Apôk. 1:8; Apôk. 16:14; Apôk. 19:15; Apôk. 21:22), ary ny teny nadika hoe "Tsitoha" (pantokrator) dia midika ara-bakiteny hoe "mahefa ny zavatra rehetra." Tsy amin'ny teny ihany no anehoana ny maha-mahefa ny zavatra rehetra an'Andriamanitra fa amin'ny ohatra mahatalanjona izay ampiasany ny heriny mba hanafahana ny olony na koa amin'ny fiasany amin'ny fomba mahagaga eto amin'izao tontolo izao.

Na izany aza, ny filazana fa "mahefa ny zavatra rehetra" Andriamanitra dia tsy midika fa afaka manao ny zavatra rehetra Izy. Ampianarin'ny Soratra Masina fa misy zavatra tsy azon'Andriamanitra atao; manambara ohatra ny 2 Tim. 2:13 fa "tsy mahazo mandà ny tenany" Izy.

Miombon-kevitra, araka izany, ny ankamaroan'ny Kristianina fa mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra, izay midika fa manana fahefana hanao ny zavatra rehetra izay tsy ahitana fifanoheran-javatra Izy - izany hoe, ny zavatra rehetra izay azo atao sy mifanaraka amin'ny Fahendreny sy ny Toetrany. Tao amin'ny vavaka nataon'i Kristy tao Getsemane no nahitana zavatra tsy azon'Andriamanitra atao noho ny fisian'ny fifanoheran-javatra. Nanambara i Kristy fa "hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra" - Mat. 19:26 nefa nanao fangatahana tamin'ny Ray toy izao koa Izy rehefa nanakaiky ny fotoana hanomboana Azy tamin'ny hazo fijaliana: "Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao." - Mat. 26:39.

Mazava loatra fa ananan'ny Ray ny fahefana hoenti-manafaka an'i Kristy mba tsy hiaretany ny fijaliana eo amin'ny hazo fijaliana saingy tsy afaka manao izany no sady mamonjy ny mpanota Izy. Ny iray tamin'ireo ihany no tsy maintsy nofidiny.

Ampianarin'ny Soratra Masina koa fa te hamonjy ny olona rehetra Andriamanitra (jereo ohatra ny 1 Tim. 2:4-6; Tit. 2:11; 2 Pet. 3:9; Ezek. 33:11), saingy tsy ny rehetra no ho voavonjy. Inona no ampianarin'izany momba ny maha-zava-misy ny safidy malalaka sy ny fetran'ny fahefan'Andriamanitra eo amin'ireo voary nomena fahafahana misafidy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal