Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 22 November 2024

Vakio ny IFM, toko 73: "Aza malahelo ny fonareo".

"Napetraka hotehirizin'ny vahoaka hebreo tahaka ny harena sarobidy ny fahamarinana. Ny fombam-pivavahana izay mitondra ny sonian'ny lanitra dia naorin'i Kristy mihitsy. Voasarona lamba tao amin'ny sary an'ohatra sy ny tandindona ireo fahamarinana lehibe momba ny fanavotana. Nefa rehefa tonga i Kristy dia tsy neken'ny Jiosy ho Ilay notondroin’ireo tandindona ireo Izy. Teo am-pelatanan'izy ireny ny Tenin’Andriamanitra, nefa ireo lovan-tsofina izay nafindra avy teo an-tanan'ny taranaka iray ho eo amin'ny taranaka iray, sy ny fandraisan'ny olombelona ny Soratra Masina, dia nanakona taminy ny fahamarinana, araka izay tao amin'i Jesôsy. Very ny maha-zava-dehibe ara-panahy ny Soratra Masina. Nivoha ho azy ireny ny trano fitehirizana ny haren'ny fahalalana rehetra, nefa tsy fantany izany."

"Tsy manafina ny fahamarinany amin'ny olona Andriamanitra. Ny fomba fihetsik'izy ireo ihany no mahatonga izany ho maizina aminy. Nanome porofo miharihary ny maha-Mesia Azy tamin'ny vahoaka jiosy i Kristy; nefa nitady fiovana hentitra teo amin'ny fiainan'izy ireo ny fampianarany. Hitany fa raha mandray an'i Kristy izy, dia tsy maintsy mahafoy ireo ohabolana sy ireo lovan-tsofina maminy indrindra, ireo fahazarana feno fitiavan-tena sy tsy araka an'Andriamanitra fanaony. Mitaky fahafoizan-tena ny handraisana ity fahamarinana tsy miova sy maharitra mandrakizay ity. Noho izany dia nakimpiny ny masony tsy hahita ireo porofo miharihary tsy azo ialana azon'Andriamanitra nomena mba hampiorina ny finoana an'i Kristy. Nilaza ho mino ny Soratra Masina ao amin'ny Testamenta Taloha izy, nefa nandà ny hanaiky ny teny vavolombelona voarakitra ao momba ny fiainan'i Kristy sy ny toetra amam-panahiny. Natahotra ny ho resy lahatra izy sao ho voaova fo ka ho voatery hamoy ireo hevitra efa nibahana tao an-tsainy. Teo aminy Ilay haren'ny Filazantsara, Ilay Làlana sy Fahamarinana ary Fiainana nefa nolaviny, dia Ilay fanomezana lehibe indrindra azon'ny lanitra natolotra." - HF, tt. 78,79.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Tanteraka teo amin'ny fiainan'i Jesôsy ny faminaniana, ary mampiorina ny finoantsika izany; amin'ny fomba ahoana?

2. Inona ireo sakana telo na efatra lehibe nahatonga ireo mpitondra fivavahana tsy hino an'i Jesôsy? Amin'ny fomba ahoana no isehoan'ny toe-javatra toy izany koa ankehitriny?

3. Manaova fandinihan-tena ka fantaro hoe inona avy no itokianao ankehitriny. Inona no azonao atao mba hanamafisanao ny finoanao?

4. Manao ahoana ny fahefan'ny Soratra Masina araka ny namalianao ny fanontaniana tany amin'ny faran'ny lesona Alatsinainy? Ary nahoana no tsy maintsy lavintsika izay rehetra manozongozona ny fahefan'ny Soratra Masina, izay fahefana farany sady faratampony?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal