Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Fizarana 1

Daty
Talata 19 November 2024

Nohamafisin'i Jesôsy ny fahefan'ny Soratra Masina tao anatin'ny adihevitra iray nifanaovany tamin'ireo mpitondra fivavahana. Raha dinihina vetivety dia toa tsy ilaina ny hanaovany izany satria efa nino ny Soratra Masina rahateo ireo mpitondra fivavahana ireo. Saingy tian'i Jesôsy ny hanasongadina ny fahefan'ny Soratra Masina, na dia amin'izy ireo aza, mba hanehoana aminy hoe Iza moa Izy na toy inona na toy inona hamafin'ny fony, na manohitra mafy aza izy ireo andrao ho resy lahatra.

Maka teny mivantana avy ao amin'ny TT koa i Jaona, na milaza izany ankolaka ao amin'ny lahatsorany, mba hanondroana an'i Jesôsy ho fahatanterahan'ny teny fikasana ao amin'ny TT momba ny Mesia.

Inona no ifandraisan'ireto andininy avy ao amin'ny TV sy avy ao amin'ny TT ireto? Izany hoe ahoana no ampiasan'ny TV ireo andininy ireo mba hanambarana an'i Jesõsy?

Jao. 1:23, Isa. 40:3 ..……………………………………………………………………………………….

Jao. 2:16,17; Sal. 69:9 …………………………………………………………………………………….

Jao. 7:38, Jer. 2:13……………………………………………………………………………..……...….

Jao. 19:36, Nom. 9:12 …………………………………………………………………………………….

Tsy i Jaona ihany, fa i Petera, Paoly, Matio, Marka, ary Lioka koa, dia imbetsaka no manamafy fa fahatanterahan'ireo faminaniana ao amin'ny TT avokoa na ny fiainan'i Jesôsy avy any Nazareta, na ny nahafatesany, na ny nitsanganany tamin'ny maty, na ny niakarany ho any amin'ny seza fiandrianan’Andriamanitra.

Kanefa na tsy nitsahatra nampiseho tamin'ny mpianany ny Soratra Masina, izay nanambara mialoha ny asany aza i Jesôsy, oviana moa ny mpianatra vao nahatakatra fa nanondro ny fahafatesany sy ny fitsanganany amin'ny maty ny Soratra Masina? Taorian'ny nahafatesan'i Jesôsy sy ny nitsanganany tamin'ny maty ary ny nisehoany tamin'izy ireo, izay vao takatr'izy ireo izany. "Ary koa, rehefa nitsangana tamin'ny maty izy, dia tsaroan'ny mpianany fa efa nilaza izany Izy; ary dia nino ny Soratra Masina sy ny teny izay nolazain'i Jesôsy izy." - Jao. 2:22 (jereo koa ny Jao. 20:9).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (35)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal