Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana.

Daty
Alahady 25 May 2025

Vakio ny Sal. 46. Inona ny hafa-panantenana azontsika raisina avy amin'io Salamo io, eo anivon'ny hotakotaky ny fiainana ankehitriny sy izay fantatsika fa hitranga eto an-tany amin'ny andro farany noho ny amin'ny fifanandrinana lehibe misy eto?

Toy ny mampiseho lohahevitra hitantsika ao amin'ny bokin'ny Hebreo ny Sal. 46: izay tsara lavitra. Tsara lavitra noho ny mpisoronabe teto an-tany i Jesosy, tsara lavitra noho ireo biby natao fanatitra ny sorona nataony, ary ny tabernakely any an-danitra dia tsara lavitra noho ireo tandindona hita teto an-tany.

Hafa anefa ny fomba anehoan'io Salamo io izany. Tsy maka zavatra tsara izay ampitahainy amin'ny tsara lavitra ny mpanoratra, fa mampitaha tontolo iray ao anatin'ny fikomiana - sy ny vokatra mahatsiravina entin'izany - amin'ny teny fikasana momba izay tsara lavitra omanin'Andriamanitra ho antsika.

Feno fanantenana sy fampanantenana tokoa io Salamo io fa na dia eo anivon'ny fahoriana sy ny fitsapana ary ny fijaliana sy ny ady aza isika, dia aoka hitsahatra "ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra" - Sal. 46:10. Asaina mitsahatra ao amin'ny toky isika fa indray andro any dia hifarana izany rehetra izany ary "hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa" i Jehôvah (Sal. 46:10).

Mariho koa izay voasoratra eto: "Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina aza ny tendrombohitra." - Sal. 46:2.

Mampahatsiahy avy hatrany izay hiseho amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany ireo toe-javatra ireo: "Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin'ny fitoerany." - Apôk. 6:14. Ary koa izao: "sady manantena no mampahafaingana ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra!" - 2 Pet. 3:12. Tsy haharitra mandrakizay tsy akory ity tontolo misy antsika ankehitriny ity sy ireo faharatsiana misy eo aminy, ary izay hiseho aorian'izao dia mampanantena antsika zavatra izay tsy takatry ny saintsika ankehitriny. Tsy maintsy miandry aloha isika amin'izao fotoana izao ka maharitra ao amin'ny finoana sy mifikitra amin'ny fanambarana izay nomena antsika momba an'Andriamanitra, ary indrindra izay nasehon'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana.

Na ratsy toy ny ahoana aza ny toe-javatra eto amin'izao tontolo izao (ary fantatsika fa hiharatsy kokoa izany), inona no azonao tsoahina avy amin'ny fahafantarana ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny heriny ary ny toetrany (eritrereto: ny hazo fijaliana)?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (30)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal