Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana.

Daty
Alahady 25 May 2025

Vakio ny Sal. 46. Inona ny hafa-panantenana azontsika raisina avy amin'io Salamo io, eo anivon'ny hotakotaky ny fiainana ankehitriny sy izay fantatsika fa hitranga eto an-tany amin'ny andro farany noho ny amin'ny fifanandrinana lehibe misy eto?

Toy ny mampiseho lohahevitra hitantsika ao amin'ny bokin'ny Hebreo ny Sal. 46: izay tsara lavitra. Tsara lavitra noho ny mpisoronabe teto an-tany i Jesosy, tsara lavitra noho ireo biby natao fanatitra ny sorona nataony, ary ny tabernakely any an-danitra dia tsara lavitra noho ireo tandindona hita teto an-tany.

Hafa anefa ny fomba anehoan'io Salamo io izany. Tsy maka zavatra tsara izay ampitahainy amin'ny tsara lavitra ny mpanoratra, fa mampitaha tontolo iray ao anatin'ny fikomiana - sy ny vokatra mahatsiravina entin'izany - amin'ny teny fikasana momba izay tsara lavitra omanin'Andriamanitra ho antsika.

Feno fanantenana sy fampanantenana tokoa io Salamo io fa na dia eo anivon'ny fahoriana sy ny fitsapana ary ny fijaliana sy ny ady aza isika, dia aoka hitsahatra "ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra" - Sal. 46:10. Asaina mitsahatra ao amin'ny toky isika fa indray andro any dia hifarana izany rehetra izany ary "hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa" i Jehôvah (Sal. 46:10).

Mariho koa izay voasoratra eto: "Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina aza ny tendrombohitra." - Sal. 46:2.

Mampahatsiahy avy hatrany izay hiseho amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany ireo toe-javatra ireo: "Dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra, ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin'ny fitoerany." - Apôk. 6:14. Ary koa izao: "sady manantena no mampahafaingana ny hihavian'ny andron'Andriamanitra, izay hahamay sy hahalevona ny lanitra ary handoro sy hampiempo ny tenan'ny zavatra rehetra!" - 2 Pet. 3:12. Tsy haharitra mandrakizay tsy akory ity tontolo misy antsika ankehitriny ity sy ireo faharatsiana misy eo aminy, ary izay hiseho aorian'izao dia mampanantena antsika zavatra izay tsy takatry ny saintsika ankehitriny. Tsy maintsy miandry aloha isika amin'izao fotoana izao ka maharitra ao amin'ny finoana sy mifikitra amin'ny fanambarana izay nomena antsika momba an'Andriamanitra, ary indrindra izay nasehon'i Jesôsy teo amin'ny hazo fijaliana.

Na ratsy toy ny ahoana aza ny toe-javatra eto amin'izao tontolo izao (ary fantatsika fa hiharatsy kokoa izany), inona no azonao tsoahina avy amin'ny fahafantarana ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny heriny ary ny toetrany (eritrereto: ny hazo fijaliana)?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal