Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.

Daty
Alakamisy 27 August 2026

Vakio ny 2 Kor. 2:12,13. Talza no nandehan'i Paoly taorian'ny nanoratany ilay "pistily hentitra" ho azy ireo? Inona no nataony tany?

Nitebiteby i Paoly teo am-piandrasana an'i Titosy (2 Kor. 7:5,6). Na teo aza izany, dia tsy nitsahatra niresaka momba an'i Jesôsy izy (2 Kor. 2:12). Tiany tokoa i Jesosy. Tamin'io fotoana io, dia tsy mbola fantany ny vokatr'ilay taratasy nalefany. Nitebiteby izy, te hahita an'i Titosy sy handre vaovao momba ny fihetsiky ny Korintianina.

Na nahomby aza ny asan'i Paoly tany Troasy, " dia tsy nitoetra naharitra tao [izy]. 'Ny fiahiana ny fiangonana rehetra', ary indrindra ny tany Korinto, dia nitambesatra tao amin'ny fony. Nanantena ny hihaona tamin'i Titosy tany Troasy izy mba hahafantarany ny fomba nandraisana ny teny fananarana sy faniniana nataony tamin'ny Korintiana, kanjo diso fanantenana. 'Tsy nahita fiadanan-tsaina mihitsy aho, hoy izy, satria tsy nahita an'i Titosy rahalahiko'. Koa noho izany dia niala tao Troasy izy, ka nandalo tany Makedonia, ary izy sy Timoty nizotra nankany Filipy, izay nihaonany tamin'i Titosy." - VM, t. 283 (np).

Vakio ny 2 Kor. 2:14-17. Nanao ahoana ny fihetseham-pon'i Paoly rehefa nihaona tamin'l Titosy tany Makedonia Izy ary nandre ny vaovao tsara momba ny fihetsiky ny Korintianina?

Tamim-pifaliana no nanambaran'i Paoly hoe: "Andriamanitra, (...) mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny fanaon'izay avy nandresy" - 2 Kor. 2:14. Akory ny hakanton'izany fanambarana izany! Ny fo feno ny fanatrehan'i Kristy dia mampiely "ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny" - 2 Kor. 2:14.

Mifaly ao amin'i Kristy i Paoly satria nitondra ny vokatra izay niriny indrindra ilay "epistily hentitra" (2 Kor. 7:5-9). Fandresena lehibe izany. Ankoatra izany, hamafisin'i Paoly indray ao amin'ny 2 Kor. 2:17, ny fahadiovam-pony amin'ny maha-apôstôly i Kristy azy (2 Kor. 2:17, 2 Kor. 1:12). Araka io andalan-teny io, ny mampiavaka ny mpanompo mahatokin'i Kristy amin'ny mpaminany sandoka dia izao: mitory ny filazantsara mba hahazoana tombontsoa ilay farany, fa ny voalohany kosa dia mitory ny Tenin'Andriamanitra amin'ny fo feno fitiavana marina an'i Kristy.

Inona no manesika anao amin'izay rehetra ataonao, indrindra rehefa manao izany amin'ny anaran'i Jesôsy ianao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal