Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.

Daty
Alahady 23 August 2026

Vakio ny 2 Kor. 1:3-7. Inona no maha-velom-pisaorana an'i Paoly eto?

Mifantoka amin'ny fampiononan'Andriamanitra ireo izay mitondra fahoriana ny fisaoran'i Paoly. Ao amin'io andalan-teny io dia miverina impolo ny teny hoe "ampiononana" na "mampionona" (parakaleő) na "fampiononana" (paraklēsis). Raha isaina ny fiverimberenan'ireo teny ireo ao amin'ny 2 Kor. (in-29), dia maneho ny ampahatelony ny ao amin'io andalan-teny io. «Rain'ny famindram-po sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin'ny fahorianay rehetra» - 2 Kor. 1:3,4, no anortitsoritana an'Andriamanitra.

Tsy natao hokobonina ho an'ny tena samirery ny fampiononana raisina avy amin'Andriamanitra (2 Kor. 1:4,5). Ny fo malahelo izay nandray fampiononana avy amin'Andriamanitra ihany no afaka mampionona amin'ny fomba mahomby ireo izay mitondra fahoriana koa.

Afaka nampionona ny hafa i Paoly satria ny tenany mihitsy, tao anatin'ny fahoriany, no naharay fampiononana avy amin'Andriamanitra. "Ary raha ampahorina izahay, dia ho fampiononana sy famonjena anareo izany; ary raha ampiononina izahay, dia ho fampiononana anareo izany" - 2 Kor. 1:6. Izany no fitiavana!

Inona no isaoran'l Paoly ao amin'ny 2 Kor. 1:8-117

Hoy i Paoly momba ny fahoriana nanjo azy ireo: "novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay"- 2 Kor. 1:8; ary nahiana aza ny ain'izy ireo. Nanopy ny sainy tany amin'ny fitsanganana amin'ny maty izy ireo, izay hany fanantenany. Nanafaka azy ireo anefa Andriamanitra, ary niova ny toe-javatra (2 Kor. 1:10). Avy amin'ny tahotra ny fahafatesana (2 Kor. 1:8), no nisandratan'izy ireo ho amin'ny fanantenana velona fa mbola hanafaka azy ireo indray Andriamanitra (2 Kor. 1:10). Ireo fandresen'Andriamanitra tamin'ny lasa dia manome toky antsika fa hanao toy izany koa Izy amin'ny hoavy. Mampiasa ny fahoriana Andriamanitra mba hampianarana antsika hitoky Aminy. Afaka mitondra antsika ho amin'ny fahamatorana ara-panahy ny zava-tsarotra lalovantsika, farafahakeliny amin'ny ambaratonga izay amelantsika izany hampanakaiky antsika an'Andriamanitra. Maneho ny herin'ny vavaka fanelanelanana sy ny fankasitrahana ao anatintsika noho ny famonjen'Andriamanitra koa ny fisaoran'i Paoly (2 Kor. 1:11).

Inona no hitanao fa fomba mahomby hiatrehana ny fahoriana, izay tsy azontsika rehetra ihodivirana raha mbola eto an-tany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • June 2026 (38)
  • July 2026 (77)
  • August 2026 (52)
  • September 2026 (52)
  • October 2026 (55)

Pagination

  • Previous page
  • 4
Powered by Drupal