Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY FIFANANDRINANA LEHIBE - Ny fototra niandohan’ny ady teto an-tany.

Daty
Alatsinainy 24 February 2025

Misy fanontaniana iray mifanindran-dalana amin'ilay hoe: "Nahoana no misy tsimparifary ao an-tanimbary kanefa tsy namafy afa-tsy voa tsara ilay tompon'ny tanimbary?", dia ny hoe: "Raha nahary tontolo tonga lafatra Andriamanitra, nahoana no mipoitra eto ny ratsy?"

Vakio ny Gen. 1:31. Inona no ambaran'ny tenin'Andriamanitra momba ny toetry ny zavaboary rehefa avy noforonin'Andriamanitra izany? Ary nahoana no zava-dehlbe ny valiny?

Araka ny voalaza ao amin'ny Gen. 1:31, rehefa vitan'Andriamanitra ny famoronana izao tontolo izao dia "indro, tsara indrindra izany." Tsy ahitana aloky ny ratsy mihitsy ny namoronan'Andriamanitra ity planeta ity raha ny ao amin'ny Gen. 1. Tamin'ny fomba ahoana àry no nahatongavan'ny ratsy teo amin'ny fiainan'ny olombelona?

Vakio ny Gen. 3:1-7. Inona no ambaran'izany antsika momba ny nahatongavan'ny ratsy teto an-tany? Ahoana no anazavan'izany ny toetr ilay fifanandrinana lehibe? (Jereo koa ny Apôk. 12:7-9).

Hitantsika ao amin'io fitantarana io ny lainga noforonin'ilay menarana momba ny toetran'Andriamanitra, izay voalaza fa ny devoly ("menarana ela") ao amin'ny Apôk. 12:7-9. Fanontaniana, izay saika namadika tanteraka ny tenin'Andriamanitra, no nampiasain'ny menarana voalohany mba hahatonga fisalasalana ny amin'ilay baikon'Andriamanitra. Avy eo dia notsipahiny tanteraka ilay tenin'Andriamanitra ka hoy izy tamin'i Eva: "Tsy ho faty tsy akory hianareo." - Gen. 3:4.

Tsy maintsy ho nandainga tamin'i Eva ny iray tamin'izy ireo: na ny menarana, na Andriamanitra. Tsy maintsy misafidy izao i Eva na hino izay nolazain' Andriamanitra na hino ny tenin'ny menarana.

Na eto na any amin'ny andininy hafa ao amin'ny Soratra Masina, ny tena fototry ny ady dia ny hoe: iza no inoanao? Izay mifandray tanteraka amin'ny hoe: iza no tianao? Ny "zavatra" inoanao momba ny olona iray sy ny toetrany mantsy, ny hoe azo itokiana ve izy sa tsia, dia miankina betsaka tokoa amin'ny fitiavanao azy, ary araka ny hita eto, mahatonga anao hihaino izay lazainy na tsia.

Vakio ny Gen. 3:15. lo fanambarana nataon'Andriamanitra tamin'ny menarana io, izay milaza ny hanorotoroan'ny taranaky ny vehivavy (ilazana ny Mesia) ny lohan'ny menarana, no voalaza matetika fa filazantsara voalohany (protoevangelium) ao amin'ny Soratra Masina. Sady manamafy ny fisian'ilay fifanandrinana izany no mitondra fanantenana ho antsika koa eo anivon'izany, amin'ny fomba ahoana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal