Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY FIFANANDRINANA LEHIBE - "Raha hiankohoka eo anatrehako hianao."

Daty
Alarobia 26 February 2025

Aseho ao amin'ny fitantarana ny fakam-panahy ao amin'ny Mat. 4 sy ny Lio. 4 ny fiezahan'i Satana haka ny seza fiandrianan Andriamanitra. Betsaka no azo ambara momba ny toetry ny ady, araka ity fihaonana manaitra ity, dia ny fihaonan'i Jesosy tamin'ilay mpaka fanahy. Hitantsika ny maha-zava-misy marina ilay fifanandrinana lehibe eo amin'i Kristy sy i Satana, saingy aseho amin'ny fomba mazava kokoa izany eto.

Vakio ny Matio 4:1-11. Ahoana no anehoan'lreo andirniny ireo ny maha-zava-misy ny fifanandrinana lehibe eo amin'i Kristy sy i Satana?

"Nentin'ny Fanahy nankany an-efitra" i Jesôsy, "mba halain'ny devoly fanahy" Mat. 4:1. Ary talohan'izany fihaonana efa nokendrena mba hitranga izany dia nifady hanina nandritra ny 40 andro i Jesôsy. Koa naka fanahy an'i Jesôsy hanova ny vato ho mofo ny devoly rehefa tonga, noho ny fahafantarany fa tao anatin'ny hanoanana mafy Izy. Kanefa notoherin'i Jesôsy tamin'ny alalan'ny Soratra Masina izany fakam-panahy izany, ka dia tsy nahomby ny tetik'i Satana.

Avy eo, nikasa hahatonga an'i Jesôsy haneho fanambonian-tena ny devoly, koa naka fanahy Azy mba hianjera avy eo an-tampon'ny tempoly. Navadik'i Satana ny Soratra Masina ka nolazainy fa raha tena Zanak'Andriamanitra tokoa i Jesôsy , dia hiaro Azy ny anjely. Saingy notoherin'i Jesôsy tamin'ny alalan'ny Soratra Masina novakina araka ny tokony ho izy indray ny fakam-panahy.

Manambara mazava tsara ny tena ezahin'ny devoly hatao ny fakam-panahy fahatelo. Tiany hivavaka sy hiankohoka aminy i Jesôsy. Ezahin'i Satana ny maka ho an'ny tenany ny fanompoam-pivavahana izay tokony ho an'Andriamanitra irery ihany.

Dia nasehony an'i Jesôsy "ny fanjakana rehetra amin'izao tontolo izao mbamin'ny voninahiny ho fanatrarany ny tanjony, ka hoy izy Taminy: "Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao." - Mat. 4:8,9. Hoy ny devoly ao amin'ny Lio. 4:6, izay mifanindran-dalana amin'izay voalaza ao amin'ny Matio: "Homeko Anao izao fanapahana rehetra izao mbamin'ny voninahiny, fa efa natolotra ahy izany, ka izay tiako no homeko azy."

Mbola ny Soratra Masina ihany no nentin'i Jesôsy nanohitra ny fakam-panahy, dia resy indray i Satana.

Ny Soratra Masina hatrany no niarovan'i Jesôsy tena tamin'ny famelezan'ny fahavalo.

Mampahatsiahy antsika ny Efes. 6:12 fa "isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra." Marina fa tsy tokony hiaina ao anatin'ny horohoro isika, kanefa nahoana no tsy azontsika hadinoina ny maha-zava-misy ny ady mitranga manodidina antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (42)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal