Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY LOHARANON'NY FIAINANA - Ny tenin’ny fiainana mandrakizay

Daty
Alatsinainy 25 November 2024

Vakio ny Jao. 6:61-68. Inona no nolazain'i Petera rehefa nanontany ireo mpianany | Jesõsy raha te handao Azy koa izy Ireo. Inona no hevitry ny teny nambaran'l Petera?

Anisan'ny lohahevitra hita manerana ny filazantsaran'i Jaona ny tenin'i Petera mikasika ny "fiainana mandrakizay". Ao amin'ny Jao. 6 no ahitana ny teny hoe "fiainana mandrakizay" miverina imbetsaka, ao anatin'ny tontolon-kevitry ny famahanana ireo olona dimy arivo (Jao. 6:27, 40, 47, 54, 68). Ambaran'i Jesõsy fa Izy no Mofon aina (Jao. 6:35); midika izany fa loharanon' 'ny farmonjena mandrakizay ny fiainany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty.

In-17 farafahakeliny no ahitana ny hoe "fiainana mandrakizay" na ny teny mitovy hevitra aminy ao amin'ny filazantsaran'i Jaona. Tsy manondro ny fisian'ny fanahy misaraka amin'ny vatana izany, na koa ny fahatongavana ho anisan'ny fanahy velona mandrakizay na izay fiheverana ara-panahy hafa. Tsy izany, fa ilay hery manolotra fiainana izay mitondra famonjena sy heviny ho an'ny fisiantsika anketrihiny sy ilay fiainana tsy manam-pahataperana amin'ny fiverenan'ny Tompontsika no tondroin'izany. Tahaka ny nahatongavan'i Jesôsy nofo no isehoan'ny fitsanganana amin'ny maty izay resahiny, anatin'ny fotoana sy ny erana ary ny vatana azo tsapain-tanana. Fitsanganana amin'ny maty izany, fanavaozana ilay fiainana izay nisy tao Edena fahizay.

Fomba ahoana no handraisantsika ny fiainana mandrakizay? Jao. 3:15,16; Jao. 5:24; Jao. 6:40,47; Jao. 8:31; Jao. 12:46; Jao. 20:31.

Amin'ny finoana irery ihany no inoantsika fa tonga nofo i Jesôsy Kristy ary maty ho antsika. Tonga amintsika tahaka ny fanomezana izany finoana izany nefa tsy maintsy misafidy ny hampilefitra ny momba antsika amin'i Jesôsy isika, sy hibebaka ary hangataka ny rany mba hahazoantsika famelana sy fanadiovana amin'ny fahotana.

Rehefa nanontany an'i Petera i Jesôsy raha toa izy handao Azy koa, dia izao no navalin'i Petera: "Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay." - Jao, 6:68. Izany no mamintina ny votoatin'ny famonjena sy ny fomba hahatrarantsika izany. Tsy avy amin'ny filozofia izany. na ny tantara sy ny siansa, ireo rehetra ireo dia fampianaran'olombelona, fa avy amin'i Jesôsy izay manana ny fiainana mandrakizay ao Aminy ka manolotra izany maimaimpoana ho an'ireo rehetra mamaly ny antson'ny Fanahy Masina ka mandray izany.

Misy fiantraikany eo amin'ny fomba fijerintsika ny fiainana eto an-tany ve ny teny fikasana momba ny fiainana mandrakizay; amin'ny fomba ahoana? Ahoana no tokony ho fiantraikan'izany eo amin'ny fomba fijerintsika izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal