Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY LOHARANON'NY FIAINANA - Ny tenin’ny fiainana mandrakizay

Daty
Alatsinainy 25 November 2024

Vakio ny Jao. 6:61-68. Inona no nolazain'i Petera rehefa nanontany ireo mpianany | Jesõsy raha te handao Azy koa izy Ireo. Inona no hevitry ny teny nambaran'l Petera?

Anisan'ny lohahevitra hita manerana ny filazantsaran'i Jaona ny tenin'i Petera mikasika ny "fiainana mandrakizay". Ao amin'ny Jao. 6 no ahitana ny teny hoe "fiainana mandrakizay" miverina imbetsaka, ao anatin'ny tontolon-kevitry ny famahanana ireo olona dimy arivo (Jao. 6:27, 40, 47, 54, 68). Ambaran'i Jesõsy fa Izy no Mofon aina (Jao. 6:35); midika izany fa loharanon' 'ny farmonjena mandrakizay ny fiainany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty.

In-17 farafahakeliny no ahitana ny hoe "fiainana mandrakizay" na ny teny mitovy hevitra aminy ao amin'ny filazantsaran'i Jaona. Tsy manondro ny fisian'ny fanahy misaraka amin'ny vatana izany, na koa ny fahatongavana ho anisan'ny fanahy velona mandrakizay na izay fiheverana ara-panahy hafa. Tsy izany, fa ilay hery manolotra fiainana izay mitondra famonjena sy heviny ho an'ny fisiantsika anketrihiny sy ilay fiainana tsy manam-pahataperana amin'ny fiverenan'ny Tompontsika no tondroin'izany. Tahaka ny nahatongavan'i Jesôsy nofo no isehoan'ny fitsanganana amin'ny maty izay resahiny, anatin'ny fotoana sy ny erana ary ny vatana azo tsapain-tanana. Fitsanganana amin'ny maty izany, fanavaozana ilay fiainana izay nisy tao Edena fahizay.

Fomba ahoana no handraisantsika ny fiainana mandrakizay? Jao. 3:15,16; Jao. 5:24; Jao. 6:40,47; Jao. 8:31; Jao. 12:46; Jao. 20:31.

Amin'ny finoana irery ihany no inoantsika fa tonga nofo i Jesôsy Kristy ary maty ho antsika. Tonga amintsika tahaka ny fanomezana izany finoana izany nefa tsy maintsy misafidy ny hampilefitra ny momba antsika amin'i Jesôsy isika, sy hibebaka ary hangataka ny rany mba hahazoantsika famelana sy fanadiovana amin'ny fahotana.

Rehefa nanontany an'i Petera i Jesôsy raha toa izy handao Azy koa, dia izao no navalin'i Petera: "Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay." - Jao, 6:68. Izany no mamintina ny votoatin'ny famonjena sy ny fomba hahatrarantsika izany. Tsy avy amin'ny filozofia izany. na ny tantara sy ny siansa, ireo rehetra ireo dia fampianaran'olombelona, fa avy amin'i Jesôsy izay manana ny fiainana mandrakizay ao Aminy ka manolotra izany maimaimpoana ho an'ireo rehetra mamaly ny antson'ny Fanahy Masina ka mandray izany.

Misy fiantraikany eo amin'ny fomba fijerintsika ny fiainana eto an-tany ve ny teny fikasana momba ny fiainana mandrakizay; amin'ny fomba ahoana? Ahoana no tokony ho fiantraikan'izany eo amin'ny fomba fijerintsika izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal