Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.

Daty
Alakamisy 28 May 2026

Miresaka betsaka momba ny fifandraisana i Jesôsy ao amin'ny Toriteny teo an-tendrombohitra — ny fifandraisana Aminy sy ny fifandraisantsika samy isika. Lalina tokoa ny hevitra fonosin'ny tapany faramparany amin'ny hafatra nambarany: "Tsy izay rehetra manao Amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra." - Mat. 7:21.

Hazavain'i Jesôsy fa misy ireo izay hiantso ny Anarany sy hiseho mazava ho mahafantatra ny momba Azy, swingy tsy tena mahalala Azy akory. Mazava loatra fa zava-dehibe ny fikatsahana fahalalana, ary milaza amintsika ny Baiboly fa mety ho ringana ny olon'Andriarnanitra noho ny tsy fisian'ny fahalalany Azy sy noho ny fandavany ny fahalalana Azy (Hôs. 4:1, 6, 10). Tsy tokony hamaivanintsika ny maha zava-dehibe ny fahamarinan'ny Soratra Masina izay tsy voafetran'ny fotoana. Kanefa tsy mahasoa na Inona na Inona izany fahalalana izany raha tsy manova antsika ary koa tsy manamafy ny fanoloran-tenantsika sy ny fiarahantsika mandeha amin'Andriamanitra.

"Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesôsy Kristy, Izay efa nirahinao." - Jao. 17:3. Nambaran'i Jesôsy ireo fepetra ilaina hahazoana miditra any an-danitra: ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fahafantarana Azy — satria tsy mahay manao ny Sitrapony isika raha tsy mahalala Azy. Izany no teboka manan-danja indrindra sy fitakiana ara-drariny indrindra. Raha milaza aminao ny zanakao fa tia anao ary manao izay asainao ataony, dia miseho amin'ny asany ny halalin'ny fitiavany sy ny fanajany anao. Tahaka izany koa, raha tia an'Andriamanitra isika, dia haniry hanao ny Sitrapony, satria fantatsika fa izany no tsara indrindra ho antsika! Ny valiny asetrintsika Azy ary koa ny fankatoavana vokatry ny fitiavantsika Azy, no mampiseho ny tena toetry ny fifandraisantsika Aminy.

Namarana ny Toriteny teo an-tendrombohitra i Jesôsy ka nametraka fihaikana goavana ho an'ireo mpihaino Azy. Inona izany? Vakio ny Mat. 7:24-29.

Raha tena mandre marina ny hafatr'i Jesôsy  isika, dia azo antoka fa hanohina ny fontsika sy hanova antsika izany. Kanefa tsy maintsy vonon-kihaino aloha ny sofintsika ary vonon-kandray ny fontsika, mba ho voarakitra ao amin'ny fanahintsika mandritra ny androm-plainantsika ny drafitry ny fiainana izay isian'ny fifandraisana ety dia ety amin'Andriamanitra.

Tsy tsiambaratelo tsy akory izany drafitry ny fifandraisana ety amin'Andriamanitra izany. Aseho ao amin'ireo takilan'ny Teny avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra izany, ary atolony ny olona rehetra. Miankina amin'ny tsirairay ny safidy ny handray izany amim-pinoana, sy ny hangataka ny fahamarinan'i Kristy tsy misy pentina ary ny hiaina araka izany fahamarinana izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal