Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.

Daty
Alakamisy 28 May 2026

Miresaka betsaka momba ny fifandraisana i Jesôsy ao amin'ny Toriteny teo an-tendrombohitra — ny fifandraisana Aminy sy ny fifandraisantsika samy isika. Lalina tokoa ny hevitra fonosin'ny tapany faramparany amin'ny hafatra nambarany: "Tsy izay rehetra manao Amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin'ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon'ny Raiko Izay any an-danitra." - Mat. 7:21.

Hazavain'i Jesôsy fa misy ireo izay hiantso ny Anarany sy hiseho mazava ho mahafantatra ny momba Azy, swingy tsy tena mahalala Azy akory. Mazava loatra fa zava-dehibe ny fikatsahana fahalalana, ary milaza amintsika ny Baiboly fa mety ho ringana ny olon'Andriarnanitra noho ny tsy fisian'ny fahalalany Azy sy noho ny fandavany ny fahalalana Azy (Hôs. 4:1, 6, 10). Tsy tokony hamaivanintsika ny maha zava-dehibe ny fahamarinan'ny Soratra Masina izay tsy voafetran'ny fotoana. Kanefa tsy mahasoa na Inona na Inona izany fahalalana izany raha tsy manova antsika ary koa tsy manamafy ny fanoloran-tenantsika sy ny fiarahantsika mandeha amin'Andriamanitra.

"Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesôsy Kristy, Izay efa nirahinao." - Jao. 17:3. Nambaran'i Jesôsy ireo fepetra ilaina hahazoana miditra any an-danitra: ny fanaovana ny sitrapon'Andriamanitra sy ny fahafantarana Azy — satria tsy mahay manao ny Sitrapony isika raha tsy mahalala Azy. Izany no teboka manan-danja indrindra sy fitakiana ara-drariny indrindra. Raha milaza aminao ny zanakao fa tia anao ary manao izay asainao ataony, dia miseho amin'ny asany ny halalin'ny fitiavany sy ny fanajany anao. Tahaka izany koa, raha tia an'Andriamanitra isika, dia haniry hanao ny Sitrapony, satria fantatsika fa izany no tsara indrindra ho antsika! Ny valiny asetrintsika Azy ary koa ny fankatoavana vokatry ny fitiavantsika Azy, no mampiseho ny tena toetry ny fifandraisantsika Aminy.

Namarana ny Toriteny teo an-tendrombohitra i Jesôsy ka nametraka fihaikana goavana ho an'ireo mpihaino Azy. Inona izany? Vakio ny Mat. 7:24-29.

Raha tena mandre marina ny hafatr'i Jesôsy  isika, dia azo antoka fa hanohina ny fontsika sy hanova antsika izany. Kanefa tsy maintsy vonon-kihaino aloha ny sofintsika ary vonon-kandray ny fontsika, mba ho voarakitra ao amin'ny fanahintsika mandritra ny androm-plainantsika ny drafitry ny fiainana izay isian'ny fifandraisana ety dia ety amin'Andriamanitra.

Tsy tsiambaratelo tsy akory izany drafitry ny fifandraisana ety amin'Andriamanitra izany. Aseho ao amin'ireo takilan'ny Teny avy amin'ny tsindrimandrin'Andriamanitra izany, ary atolony ny olona rehetra. Miankina amin'ny tsirairay ny safidy ny handray izany amim-pinoana, sy ny hangataka ny fahamarinan'i Kristy tsy misy pentina ary ny hiaina araka izany fahamarinana izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal