Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahatoky tanteraka an'Andriamanitra

Daty
Alahady 03 March 2024

Vakio ny Sal. 78. Inona avy ireo vanim-potoana telo ara-tantara asongadina ao amin'io Salamo io? Inona ny lesona miverimberina nosintonin'i Asafa tamin'ireo vanim-potoana tsirairay ireo?

Mampiharihary ny fahatokian'Andriamanitra sy ny tsy fahatokian'ny Isiraely ny fanaovana jery todika ny tantara lasan'ny Isiraely. Natao hitondra lesona ho an'ny taranaka ho avy izany mba tsy hamerenany ny fahadisoan'ny razany fa hitokiany amin'Andriamanitra sy hahatokiany amin'ny fanekeny kosa. Ataon'ny mpanao Salamo fanoharana ny tantara (Sal. 78:2), izay midika fa tokony hisaintsaina lalina ny hafatry ny Salamo ny olona ka hikaroka izay hevitr'izany ho an'ny tenany. Maneho ara-paminaniana ny fomba fampianaran'i Jesôsy amin'ny alalan'ny fanoharana ny Sal. 78 (Mat. 13:34,35).

Miresaka momba ny vanim-potoan'ny Eksôdôsy (Sal. 78, 9-54), ny fakan- toerana tao Kanana (Sal. 78, 55-64), ary ny andron'i Davida koa (Sal. 78, 65- 72) io Salamo io. Mampiseho ny asan'ny Tompo be voninahitra sy ny vokatry ny fandikan'ny olona ny faneken'Andriamanitra izany. Hita amin'ny endriny maro teo amin'ny tantaran'ny vahoaka Isiraely ny tsy fahatokiany, indrindra ny fanoampoan-tsampiny (Sal. 78:58).

Tsindrian'ny mpanao Salamo tsara anefa ny fototra nahatonga ny tsy fahatokian'ny Isiraely: ny fanadinoany ny nataon'Andriamanitra ho azy ireo, ny tsy fitokiany tamin'Andriamanitra, ny fakàny fanahy an'Andriamanitra (Sal. 78:18,41,56), ny fikomiany tamin'Andriamanitra, ary koa ny tsy fitandremany ny lalàny sy ny fanekeny ary ny teni-vavolombelony (Sal. 78:7,8,10,37,56).

Zendana isika mamaky io Salamo io, mahita ny hamafin'ny hatoky ny olona sy ny fahajambany ara-panahy etsy andaniny, ary ny faharetana sy ny fahasoavan'Andriamanitra tsy misy fetra kosa etsy ankilany. Ahoana no mahatonga ireo taranaka mifandimby ho ela fandray lesona toy izany?

Mila mandini-tena isika mialoha ny hitsaratsarantsika ireo taranaka lasa ireo. Tsy mba mpanadino ny zava-mahagaga nataon'Andriamanitra tamin'ny lasa koa ve isika? Tsy mbola naneho tsy firaihana manoloana ireo fitakian'ny faneken'Andriamanitra ve isika? Tsy mampirisika ny olona hiantehitra amin'ny zava-bitany ny Salamo. Mampiseho kosa ny Sal. 78 fa zava-poana ny sitrapon'ny olombelona raha tsy miorina amin'ny fahatsapana mandrakariva ny fahatokian'Andriamanitra sy amin'ny fandraisana ny fahasoavany. Misy lesona ampitaina ao anatin'ny faharesen'ny vahoakan'Andriamanitra an'ady (Sal. 78:9,62-64): ny ezak'olombelona tsy misy fahatokiana amin'Andriamanitra dia mandamòka hatrany.

Inona ny lesona voarainao, na tokony ho noraisinao, avy amin'ny fahadisoanao tamin'ny lasa?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal