Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAHIRATRA TSARA

Daty
Alahady 11 August 2024

Vakio ny Mar. 8:22-30. Nahoana i Jesôsy no nila nikasika indroa ny mason'ilay jamba vao sitrana izy? Inona ny lesona azo tsoahina avy amin'io tantara io?

 Maro ireo jamba voalaza ao amin'ny filazantsara fa nositranin'i Jesôsy. Ankoatra ity voasoratra ao amin'ny Mar. 8 ity dia nanasitrana an'i Bartimeo jamba koa i Jesôsy ao amin'ny Mar. 10:46-52. Olona jamba anankiroa no voalaza ao amin'ny bokin'i Matio (Mat. 20:29-34), ary ny Jao. 9 dia mitantara ny nanasitranan'i Jesôsy lehilahy iray teraka jamba, izay nanasa ny masony tany amin'ny farihy Siloama.

 Kanefa tsy manan-tsahala ity tantara ao amin'ny Mar. 8 ity. Ao amin'ny Marka ihany no misy azy, ary io fahagagana io irery ihany no nitaky ny fikasihan'i Jesôsy indroa vao salama tanteraka ilay olona. Mampihetsi-po ny filazana ao amin'ity tantara ity fa notantanan'i Jesôsy ilay lehilahy ka nentiny ho any ivelan'ny tanàna. Tsapa tokoa fa nangoraka ity lehilahy nanan-kilema ity Izy.

Fa nahoana no nila nikasika azy indroa i Jesôsy? Tsy noho ny tsy fahampian'ny herin'i Jesôsy velively izany; io fahagagana io rahateo no hany nampiasan'i Jesôsy fikasihana indroa. Fanoharana velona kosa no hita ho nasehon'izany, izay manambara fa indraindray mitaky fotoana ny fitomboana ho amin'ny fahiratana na fahendrena ara-panahy. Toy izany koa amin'ny mpianatr'i Jesôsy. Ny fizarana iray manontolo, Mar. 8:22-10:25 dia miantomboka sy mifarana amin'ny fanasitranana ny lehilahy jamba iray. Ao amin'io fizarana ao amin'i Marka io i Jesôsy dia miresaka indrindra indrindra ny amin'ny fahafatesany tsy ho ela amin'ny mpianany. Tsy takatry ny sain'izy ireo avy hatrany izany na dia efa imbetsaka aza Izy no niresaka izany taminy. Tonga fanoharana ilaina eo amin'ny fiainana maha-mpianatra mahomby io famerenana amin'ny laoniny ny fahitana io.

Tia fanontaniana ny mpampianatra. Matetika mantsy izany no manokatra ny sain'ny mpianatra hahatakatra ny tiana hambara. Ao amin'ny Mar. 8 no mipoitra ny lohahevi-dehiben'ny boky. Manamarina izany ireto toe-javatra telo ireto: voalohany, manontany ny mpianany i Jesôsy momba ny maha-Izy Azy. Tsy mbola nataony mihitsy izany talohan'izao. Faharoa, i Petera no olona voalohany, tsy demoniaka, izay nanambara an'i Jesôsy ho Mesia. Ary fahatelo, taorian'izany fanambaran'i Petera izany, avy hatrany i Jesôsy dia nanazava momba ny lalan-kalehany, izay miafara amin'ny hazo fijaliana.

Nahoana i Jesôsy no niteny tamin'ny mpianany mba tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza fa Izy no Mesia? Toa tsy manampy amin'ny fampiorenana ny fanjakan'Andriamanitra izany. Saingy tamin'ny andron'i Jesôsy, ny "Mesia" dia naneho Iafiny ara-pôlitika: ny fanonganana ny fahefana rômanina. Tsy ho "Mesia" toy izany no nahatongavan'i Jesôsy, ka izany no nampanginany ny mpianany tsy hilazalaza momba ny maha-Izy Azy.

Inona no ampianarin'izany tantara izany antsika? Misy fotoana, zava-dehibe tokoa ny tsy itenenana na inona na inona, na marina toy inona aza ny ao an-tsaintsika. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal