Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAHIRATRA TSARA

Daty
Alahady 11 August 2024

Vakio ny Mar. 8:22-30. Nahoana i Jesôsy no nila nikasika indroa ny mason'ilay jamba vao sitrana izy? Inona ny lesona azo tsoahina avy amin'io tantara io?

 Maro ireo jamba voalaza ao amin'ny filazantsara fa nositranin'i Jesôsy. Ankoatra ity voasoratra ao amin'ny Mar. 8 ity dia nanasitrana an'i Bartimeo jamba koa i Jesôsy ao amin'ny Mar. 10:46-52. Olona jamba anankiroa no voalaza ao amin'ny bokin'i Matio (Mat. 20:29-34), ary ny Jao. 9 dia mitantara ny nanasitranan'i Jesôsy lehilahy iray teraka jamba, izay nanasa ny masony tany amin'ny farihy Siloama.

 Kanefa tsy manan-tsahala ity tantara ao amin'ny Mar. 8 ity. Ao amin'ny Marka ihany no misy azy, ary io fahagagana io irery ihany no nitaky ny fikasihan'i Jesôsy indroa vao salama tanteraka ilay olona. Mampihetsi-po ny filazana ao amin'ity tantara ity fa notantanan'i Jesôsy ilay lehilahy ka nentiny ho any ivelan'ny tanàna. Tsapa tokoa fa nangoraka ity lehilahy nanan-kilema ity Izy.

Fa nahoana no nila nikasika azy indroa i Jesôsy? Tsy noho ny tsy fahampian'ny herin'i Jesôsy velively izany; io fahagagana io rahateo no hany nampiasan'i Jesôsy fikasihana indroa. Fanoharana velona kosa no hita ho nasehon'izany, izay manambara fa indraindray mitaky fotoana ny fitomboana ho amin'ny fahiratana na fahendrena ara-panahy. Toy izany koa amin'ny mpianatr'i Jesôsy. Ny fizarana iray manontolo, Mar. 8:22-10:25 dia miantomboka sy mifarana amin'ny fanasitranana ny lehilahy jamba iray. Ao amin'io fizarana ao amin'i Marka io i Jesôsy dia miresaka indrindra indrindra ny amin'ny fahafatesany tsy ho ela amin'ny mpianany. Tsy takatry ny sain'izy ireo avy hatrany izany na dia efa imbetsaka aza Izy no niresaka izany taminy. Tonga fanoharana ilaina eo amin'ny fiainana maha-mpianatra mahomby io famerenana amin'ny laoniny ny fahitana io.

Tia fanontaniana ny mpampianatra. Matetika mantsy izany no manokatra ny sain'ny mpianatra hahatakatra ny tiana hambara. Ao amin'ny Mar. 8 no mipoitra ny lohahevi-dehiben'ny boky. Manamarina izany ireto toe-javatra telo ireto: voalohany, manontany ny mpianany i Jesôsy momba ny maha-Izy Azy. Tsy mbola nataony mihitsy izany talohan'izao. Faharoa, i Petera no olona voalohany, tsy demoniaka, izay nanambara an'i Jesôsy ho Mesia. Ary fahatelo, taorian'izany fanambaran'i Petera izany, avy hatrany i Jesôsy dia nanazava momba ny lalan-kalehany, izay miafara amin'ny hazo fijaliana.

Nahoana i Jesôsy no niteny tamin'ny mpianany mba tsy hilazalaza na amin'iza na amin'iza fa Izy no Mesia? Toa tsy manampy amin'ny fampiorenana ny fanjakan'Andriamanitra izany. Saingy tamin'ny andron'i Jesôsy, ny "Mesia" dia naneho Iafiny ara-pôlitika: ny fanonganana ny fahefana rômanina. Tsy ho "Mesia" toy izany no nahatongavan'i Jesôsy, ka izany no nampanginany ny mpianany tsy hilazalaza momba ny maha-Izy Azy.

Inona no ampianarin'izany tantara izany antsika? Misy fotoana, zava-dehibe tokoa ny tsy itenenana na inona na inona, na marina toy inona aza ny ao an-tsaintsika. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -
Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal