Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAMANTATRA NY BIBIDIA: FIZARANA 1

Daty
Talata 11 June 2024

Apôk. 13:1,2. Avy taiza no nipoiran'ilay bibidia ary iza no manome fahefana azy?

Ny bokin'ny Apôkalipsy dia manondro ny dragona ho i Satana. Ambaran'ny Apôk. 12:3-5 fa ny dragona dia niezaka "handrapaka ny zanany, raha vao teraka" ary avy eo dia "novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany' izany zaza izany. Ny devoly, miasa amin'ny alalan'i Rôma jentilisa, no nanao izay handringanana an'i Kristy (jereo ny Mat. 2:16-18). Miasa amin'ny alalan'ny andrim-panjakana ara-politika sy ara-pivavahana mba hanatanteraka ny fikasany ilay fahavalon'Andriamanitra sy ny olona.

Izao no lazaina amintsika momba ny herin'io bibidia io: "ary flay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe"- Apôk. 13:2. Taona maro taty aoriana rehefa namindra ny renivohiny avy ao Rôma ho any amin'ny tanana nantsoina hoe Constantinople, any Turquie ankehitriny, ny amperora romanina Constantin dia tanteraka antsakany sy andavany io faminaniana io. Izany dia namela ny seza fiandrianana taloha na ny fitoeran'i Kaisara, ilay tananan'ny amperoran'i Rôma, ho tsy misy manam-pahefana. Izany no nanomezan'i Rôma jentilisa an'ilay bibidia ny fitoerany na ny renivohiny.

Hoy i Isaac Backus: "Tamin'ny famindrana ny foiben'ny fanjakana tany Constantinople, (...) dia namela ny evekan'i Rôma hisandratra ambonin'ny olombelona rehetra eto an-tany sy ambonin'llay Andriamanitra any an-danitra i Constantin." — The Infinite Importance of the Obedience of Faith, and of Separation from the World, p. 16 (quoted in Le Roy Edwin Froom, The Prophetic Faith of Our Fathers, b. 3, t. 213). Araka an'i Thomas Hobbes, "ny fitondrana papaly dia tsy inona fa avelon'ny fanjakana Rômanina efa maty, mipetraka sy nasiana satroboninahitra eo amin'ny fasany". — Leviathan (New York: Oxford University Press, 1996), t. 386. Fanadihadiana lalina no manambara fa ny bibidia avy amin'ny ranomasina ao amin'ny Apôk. 13 dia hery ara-pivavahana tratry ny fihemorana, izay mipoitra avy ao Rôma ary tonga rafi-pivavahana maneran-tany (Apôk . 13:3,4). Tsy olona io bibidia io; fandaminana ara-pivavahana izay nanolo ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra tamin'ny didin'olombelona izany.

Vakio ny Apôk . 13:1,6. Inona ny teny fototra ampiasaina hanondroana ny fahefan'ilay bibidia.

Manondro ny fitenenan-dratsy ao amin'ny Jao. 10:33 sy ny Lio. 5:21 amin'ny ohatra roa ny Baiboly: (1) olona iray milaza azy na mitonona ho Andriamanitra sy (2) olona iray milaza ho manana fahefana hamela heloka. Tsy ara-drariny ireo fiampangana ireo satria tena Andriamanitra i Jesôsy ary manana fahafahana hamela heloka araka izany. Manana foto-pampianarana roa miavaka tsara izay sokajin'ny Baiboly ho fitenenan-dratsy ny fahefana papalin'i Rôma: ny filazany fa manana fahefana hamela ny fahotana ireo pretrany, ary ny filazany fa ny papa dia manana ireo zo ananan'Andriannanitra eto an-tany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal