Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAMANTATRA NY BIBIDIA: FIZARANA 1

Daty
Talata 11 June 2024

Apôk. 13:1,2. Avy taiza no nipoiran'ilay bibidia ary iza no manome fahefana azy?

Ny bokin'ny Apôkalipsy dia manondro ny dragona ho i Satana. Ambaran'ny Apôk. 12:3-5 fa ny dragona dia niezaka "handrapaka ny zanany, raha vao teraka" ary avy eo dia "novonjena faingana nakarina ho any amin'Andriamanitra, dia ho any amin'ny seza fiandrianany' izany zaza izany. Ny devoly, miasa amin'ny alalan'i Rôma jentilisa, no nanao izay handringanana an'i Kristy (jereo ny Mat. 2:16-18). Miasa amin'ny alalan'ny andrim-panjakana ara-politika sy ara-pivavahana mba hanatanteraka ny fikasany ilay fahavalon'Andriamanitra sy ny olona.

Izao no lazaina amintsika momba ny herin'io bibidia io: "ary flay dragona nanome azy ny heriny sy ny seza fiandrianany ary fahefana lehibe"- Apôk. 13:2. Taona maro taty aoriana rehefa namindra ny renivohiny avy ao Rôma ho any amin'ny tanana nantsoina hoe Constantinople, any Turquie ankehitriny, ny amperora romanina Constantin dia tanteraka antsakany sy andavany io faminaniana io. Izany dia namela ny seza fiandrianana taloha na ny fitoeran'i Kaisara, ilay tananan'ny amperoran'i Rôma, ho tsy misy manam-pahefana. Izany no nanomezan'i Rôma jentilisa an'ilay bibidia ny fitoerany na ny renivohiny.

Hoy i Isaac Backus: "Tamin'ny famindrana ny foiben'ny fanjakana tany Constantinople, (...) dia namela ny evekan'i Rôma hisandratra ambonin'ny olombelona rehetra eto an-tany sy ambonin'llay Andriamanitra any an-danitra i Constantin." — The Infinite Importance of the Obedience of Faith, and of Separation from the World, p. 16 (quoted in Le Roy Edwin Froom, The Prophetic Faith of Our Fathers, b. 3, t. 213). Araka an'i Thomas Hobbes, "ny fitondrana papaly dia tsy inona fa avelon'ny fanjakana Rômanina efa maty, mipetraka sy nasiana satroboninahitra eo amin'ny fasany". — Leviathan (New York: Oxford University Press, 1996), t. 386. Fanadihadiana lalina no manambara fa ny bibidia avy amin'ny ranomasina ao amin'ny Apôk. 13 dia hery ara-pivavahana tratry ny fihemorana, izay mipoitra avy ao Rôma ary tonga rafi-pivavahana maneran-tany (Apôk . 13:3,4). Tsy olona io bibidia io; fandaminana ara-pivavahana izay nanolo ny fahamarinan'ny Tenin'Andriamanitra tamin'ny didin'olombelona izany.

Vakio ny Apôk . 13:1,6. Inona ny teny fototra ampiasaina hanondroana ny fahefan'ilay bibidia.

Manondro ny fitenenan-dratsy ao amin'ny Jao. 10:33 sy ny Lio. 5:21 amin'ny ohatra roa ny Baiboly: (1) olona iray milaza azy na mitonona ho Andriamanitra sy (2) olona iray milaza ho manana fahefana hamela heloka. Tsy ara-drariny ireo fiampangana ireo satria tena Andriamanitra i Jesôsy ary manana fahafahana hamela heloka araka izany. Manana foto-pampianarana roa miavaka tsara izay sokajin'ny Baiboly ho fitenenan-dratsy ny fahefana papalin'i Rôma: ny filazany fa manana fahefana hamela ny fahotana ireo pretrany, ary ny filazany fa ny papa dia manana ireo zo ananan'Andriannanitra eto an-tany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.
Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal