Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAMPITSAHATRA NY TAFIO-DRIVOTRA IZY

Daty
Alahady 28 July 2024

Vakio ny Mar. 4:35-41. Inona no mitranga ato amin'ity tantara ity? Inona ny lesona azontsika tsoahina avy amin'izany momba an'i Jesôsy?

Eo amin'ny fanombohan'ny Mar. 4 dia niditra teo an-tsambokely i Jesôsy mba hampianatra ny vahoaka teo amorony. Toa nivoaka kely i Jesôsy ao amin'ny Mar. 4:10-12 mba hiresaka mangingina amin'ny mpianany. Ary rehefa avy nampianatra nandritra ny tontolo andro i Jesôsy dia nentin'ny mpianatra teo an-tsambokely, efa reraka tokoa. Avy hatrany dia resin-tory teo am-bodin'ny sambo Izy, teo ambonin'ny ondana. Dia nisy tafio-drivotra mahery, ka nofohazin'ny mpianatra i Jesôsy rehefa nila ho rendrika iny ilay sambokely. Tamin'ny fomba mahagaga no nibaikoan'i Jesôsy ny rivotra sy ny onjan-drano mba hitsahatra. Dia indro tony dia tony ny rano. Azo inoana fa naharaiki-tahotra ny mpianatra izany fanehoana ny herin'Andriamanitra izany.

Vakio ny Sal. 104:1-9. Manao ahoana ny fanoritsoritana an'i Jehôvah raha mitaha amin'i Kristy nampitsahatra ny tafio-drivotra?

Iray amin'ireo fomba fanehoan'Andriamanitra ny Tenany amin'ny olombelona, na fisehoan'ny anjeliny amin'ny olona, io tantara ao amin'ny Mar. 4:35-41 io, izay antsoina hoe "teôfania". Misy singa dimy iraisan'ireny karazana tranga ireny: (1) ny fanehoan'Andriamanitra ny heriny, (2) ny tahotry ny olombelona, (3) ny baiko hoe "Aza matahotra", (4) ny hafatra avy amin'Andriamanitra na ilay anjeliny, (5) ary ny valiny asetrin'ny olombelona ilay hafatra. Efatra amin'ireo dimy ireo no hita  fampitsaharana ny tafio-drivotra no fanehoan'Andriamanitra ny heriny - ny tahotry ny olombelona dia ny tahotry ny mpianatra - ny fanontanian'i Jesôsy hoe: "Nahoana no saro-tahotra hianareo?", dia mitovy amin'ny hoe "Aza matahotra"; ary ny fanontanian'ny mpianatra hoe: "Iza moa ity(...)?"no valiny asetrin'ny olombelona. Ny hafatra avy amin'Andriamanitra no tsy ao. Mifanaraka tsara amin'ny maha-boky manala sarona ny tsiambaratelo ny bokin'i Marka izany, izay hampisehoana ny tena marina momba an'i Jesôsy. Manosika ny mpamaky hahita ny hafatra avy amin'Andriamanitra, izay toa tsy ao, ny fanontaniana napetraky ny mpianatra hoe: "Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?"— Izy no Zanak'Andriamanitra, dia ny Tompo.

Saintsaino ny momba ny herin'Andriamanitra. Ahoana no hianaranao miantehitra amin'izany hery izany sy matoky Azy amin'ny lafiny rehetra eo amin'ny fiainanao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Ny vokatry ny fanompoana tena izy.
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fahoriana sy voninahitra.
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -Fanompoam-pivavahana mifantoka amin’i Kristy.
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Antso ho amin’ny fahamasinana.
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fiononana sy alahelo.
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fianarana fanampiny.
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal