Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Manandrata ny tananareo ho. amin'ny fitoerana masina

Daty
Alahady 17 March 2024

Vakio ny Sal. 134. Aiza no atao ny fanompoam-pivavahana eto? Inona ny vokatr'ilay flankohofana amin’ Andriamanitra?

Mampahatsiaro ny tso-drano nataon'i Arona mpisoronabe ao amin'ny Nom, 6:24-26 ny Sal. 134 (ny Sal. 67:1 koa), ary maneho mazava ny fitahiana ho foto. kevitra manan-danja ao anatin’ny fifandraisan’Andriamanitra sy ny Isiraely, sy ho vokatt zany fifandraisana izany, Misaotra an’Andriamanitra ao amin'ny fitoerana masina ny vahoaka, ary Andriamanitra kosa mitahy ny vahoaka avy ao Ziona Mahenika ny fiainana manontolo ny fitahiana satria Andriamanitra dia Jehovah Mpanao ny lanitra sy ny tany. Ny filazana an’i Ziona ho toerana misy ny fitahiana manokana avy amin'Andriamanitra dia manamafy ny fanekena mamatotra an’Andriamanitra amin'ny vahoakany, izay fanekem-pahasoavana.

Vakio ny Sal. 18:1; Sal. 36:1; Sal. 113:1; Sal. 134:1,2; sy ny Sal, 135:1,2.

Matetika no soritan'ny Salamo ho toy ny mpanompon'i Jehdvah ny mpivavaka. Azo inoana fa maneho ny fiambenana alina ataon’ny Levita (1 Tant. 9:23-27) ny hoe ‘izay mitoetra alina ao an-tranon'i Jehovah” — Sal. 134:1, na koa maneho ny fiderana an’Andriamanitra ataon'ny Levita andro aman‘alina (1 Tant. 9:33).

Koa satria mivavaka amina Andriamanitra tsy hita maso, Izay tsy azo aseho amin'ny endrika na amin'ny sary, ny Isiraelita, dia natao haneho taratra ny voninahitri Jehévah ny fitoerana masina, sy ho toerana azo antoka azon'ny mpanota hanatonana ny Mpanjakany masina. Andriamanitra mihitsy no tompon- kevitra ny amin'izany fihaonana izany ary mifehy izany amin’ny alalan'ny didy amam-pitsipiny.

“Izayhatoninareotoyny vatovelona, ‘nolavin'nyolona, favoafidin’ Andriamanitra sady soa’, ka dia atsangana koa hianareo tahaka ny vato velona ho trano fanahy, ho fisoronana masina, hanatitra fanati-panahy sitrak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.” - 1 Pet. 2:4,5. Mitovy amin'ny hevitra voizina 20 amin‘ireo Salamo ireo ihany ireo tenin'i Petera ireo: manolotra fiderana sy fisaorana ho an'ny Tompony Jesésy Kristy, Mpahary sy Mpanavotra azy ireo, ny vahoakan’Andriamanitra, izay tonga fisoronana masina izao, noho ny soa rehetra nataon'ny Tompo ho azy.

Manana anjara fisoronana koa isika, tahaka ireo mpinon'ny TV, satria voantso hitory ny vaovao mahafalin'ny filazantsara amin'izao tontolo izao. Inona ny fomba mahomby indrindra azontsika anatanterahana izany

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal