Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MIANDRASA AN’I JEHOVAH

Daty
Sabotsy 23 March 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 27:14; Rém. 8:18-25; Sal. 131; Mat. 18:3; Sal. 126; Sal. 92; Mar. 16:1-8; 2 Pet. 1:19,

Tsianjery: “Miandrasa an’i Jehovah hianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’i Jehovah.” - Sal. 27:14.

Tonga eo amin'ny herinandro farany amin'ny fandalinana momba ny Salamo nandritra ity telovolana ity isika. Izany dia lavitra ara-panahy izany dia nitondra antsika namakivaky fanandramana mahatalanjona manoloana llay Mpamorona lehibe sy Mpanjaka ary Mpitsara. Nandalovantsika ny fifaliana vokatry ny fanafahan’Andriamanitra sy ny famelany heloka ary ny famonjena. Nandalovantsika ireo fotoana nahatsapana ho nafoy tao anatin’ny alahelo sy ny fitarainana; ary hitantsika ireo teny fikasana be voninahitra momba ny fanatrehan’Andriamanitra mandrakizay sy ny firesahana sahady ny amin'ny fiankohofan'ny voary manontolo amin’Andriamanitra mandrakizay. Mitohy ny dia, miaina ao anatin’ny fanantenana ny fiavian'ny Tompo isika, ary ho tonga amin'ny fahatanterahana ny faniriantsika fatratra an’Andriamanitra. Raha misy tsoa-kevitra azontsika tsoahina avy amin’ny Salamo, dia izao izany: “Miandrasa an'i Jehovah.”

Tsy fitomotomoeram-poana sy fitoerana anatin'ny fahakiviana tsy akory ny fiandrasana an‘i Jehdvah. Tsy izany, fa asam-pitokiana sy asam-pinoana izany, fitokiana sy finoana izay aseho amin'ny asa. Manova ny takarivantsika matroka ho fiandrandrana ny maraina mamiratra ny fiandrasana an‘i Jehovah (Sal. 30:5; Sal. 143:8). Mampahatanjaka ny fontsika amin’ny fanantenana vaovao sy fiadanana izany. Mandrisika antsika hiasa bebe kokoa izany, mba hitondrantsika ny amboaran'ny fijinjana be avy amin'ny saha fiasan’Andriamanitra (Sal. 126:6; Mat. 9:36-38). Tsy hitondra fahafaham-baraka ho antsika na oviana na oviana ny fiandrasana an'i Jehovah fa hitondra valisoa lehibe, satria mahatoky amin'ny teny fikasany rehetra Andriamanitra (Sal. 37:11, 18, 34; Sal. 71:1; Sal. 119:137, 138).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal