Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mihira fihiram-baovao ho an’! jehovah

Daty
Alatsinainy 18 March 2024

Vakio ny Sal. 33:3, Sal. 40:3, Sal. 96:1, Sal. 98:1, Sal. 144:9, sy ny Sal. 149:1. Inona ny lohahevitra iombonan'ireo adininy ireo?

Mibaiko ny olona hanao “fihiram-baovao’ ny Salamo. Inona moa nohevitr'izany eto? Ny fahatongavan-tsaina sy fiaikena ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny fahefany eo amin'izao tontolo izao, ho fisaorana noho ny fiahiany sy ny famonjeny amin'ny maha-Mpahary sy Mpitsara ny tany Azy, no anton'ny “fihiram-baovao” eto. Antony mahakasika ny Isiraely kokoa ny fanafahan’Andriamanitra azy ireo tamin’ny fahavalony sy ny fahafatesana, ary ny fahasoavana manokana nasehon'Andriamanitra azy ireo. Midera an’Andriamanitra noho ny fahatsarany sy ny fahagagana ataony ny hira sasany, fa ny “fihiram-baovao” kosa dia miavaka, maneho ny fodian'ny fifaliana indray sy fanomezan-toky fa hohavaozina ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra. Ny fanandramana vaovao nahatsapan'ny vahoaka ny fanafahan’Andriamanitra dia mandrisika azy ireo hiaiky fa Jehovah no Mpahary sy Mpanjakany. Ny lohahevitra iraisan'ireo Salamo milaza “fihiram- baovao” dia ireto: ny fitokiana amin’Andriamanitra, ny fiderana Azy noho ny asany mahagaga, ary ny fanafahana amin'ny fahoriana, ankoatra ny maro hafa.

Vakio ny Isa. 42:10-12, Apék. 5:9, sy ny Apok. 14:3. Inona ny hevitra azontsika tsoahina avy amin'ireo andinin-tSoratra Masina ireo momba ny “fihiram-baovao"?

Antsoina amin‘ilay teny mamy hoe “firenena akaiky Azy [akaiky an’Andriamanitra]” ny Isiraely vahoakan’Andriamanitra (Sal. 148:14), izay midika fa manana toerana manokana tokoa ny Isiraely amin'ny voary rehetra noforonin’Andriamanitra, ary noho izany dia manana adidy sy tombon-tsoa hidera an’Andriamanitra. Mandrisika ny mpino rehetra eo amin'ny tantara ny Baiboly, araka izany, mba hanao fihiram-baovao ho fiderana ny Mpanavotra azy, ka voizina amin'izany ny fanambarana miavak’izy ireo momba ny famonjena ao amin’ny ran'ny Zanak’ondry. Azo lazaina ho hira vaovao tsy mbola nisy nandre na oviana na oviana ny “fihiram-baovao’, izay ahatsiarovana ny fahatsapana velona ny fahasoavan'Andriamanitra eo amin'ny fiainan’ny olona iray. Mety haneho fanantenana koa ny “fhiram-baovao”, ka ny maha-vaovao azy dia ny fiandrandrana ny fanjakan'Andriamanitra tsy manan-tsahala sy tsy manam-paharoa amin'ny hoavy. Mihoatra noho ny sorona sy ny fanatitra ny tena fiankohofana marina ary maneho taratra ny fifandraisana velona amin’Andriamanitra, izay mihavao mandrakariva. Amin'ny heviny iray, ny “fihiram-baovao dia azo lazaina tsotra hoe fanehoana vaovao, na isan‘andro aza, ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fankasitrahantsika Azy noho izay nataony ho antsika. .

Saintsaino ny fitahian’ Andriamanitra teo amin'ny fiainanao. Raha tokony hanao fihiram-baovao ianao dia ho toy ny ahoana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (39)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal