Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NATAO TAO AM-PASANA

Daty
Alakamisy 19 September 2024

Vakio ny Mar. 15:42-47. Inona ny hevitry ny fidiran’i Josefa avy any Arimatia an-tsehatra, indrindra noho ny tsy fahitana ireo mpianatr'i Jesôsy?

Taorianizany zavatra nifamahofaho izany dia toe-javatra "mahazatra" no nitranga. Tsy maintsy alevina mandrakariva ny maty. Misy teboka maromaro izay manaitra amin'ny lafiny ara-panahy anefa, ary misy ireo manan-danja fatratra ara-tantara.

Ao amin'ireo andalan-teny ireo no ahitana voalohany sady farany an'i Josefa avy any Arimatia ao amin'ny Filazantsaran'i Marka. Mambra mendri-kaja tao amin'ny Synedriona izy, ary iray tamin'ireo nantsoina hoe "sangany" teo amin'ny fiarahamonina. Amin'ny maha-lehilahy mpanankarena sy nohajaina fatratra azy dia nanana ny maha-izy azy teo imason'ny governora izy, izay manazava ny fananany fahasahiana hanatona an'i Pilato sy hangataka ny fatin'i Jesôsy.

Tsipirian-javatra manaitra ny fahitana mambra iray tao amin'ny filan-kevitry ny Synedriona liana amin'ny fandevenana an'i Jesôsy. Taiza tokoa moa ireo mpianatra nitokian'i Jesôsy tao anatin'izany toe-javatra rehetra izany? Tsipirian-javatra ara-tantara iray manan-danja tokoa eto ny fanamarinana ny fahafatesan'i Jesôsy. Ambaran'ny Mar. 15:43 fa nangataka ny fatin'i Jesôsy i Josefa. Gaga i Pilato raha nahare fa efa maty sahady i Jesôsy (Mar. 15:44). Nampanantsoiny, araka izany, ilay kapiteny nampiandraiketiny ny fanomboana an'i Jesôsy ary nanontaniany raha efa maty tokoa i Jesôsy. Nanamafy izany ilay kapiteny.

Zava-dehibe izany satria misy ireo nanambara tato aoriana fa tsy maty teo amin'ny hazo fijaliana i Jesôsy fa torana fotsiny. Ny fijoroan'ilay kapiteny ho vavolombelona teo anatrehan'ny governora rômanina no manohitra mivantana izany fanambarana izany. Hain'ny Rômanina rahateo ny mamono ireo mpanao heloka bevava.

Nividy hariry madinika mba hamonosana ny fatin'i Jesôsy i Josefa ary naleviny tao amin'ny fasana, izay nolavahana tamin'ny vatolampy, lzy. Nalalaka io fasana io ka azo nidirana tao anatiny (Mar. 16:5). Ankoatra an'i Josefa, dia nanannarika vehivavy roa izay nahita io toerana io ny mpanoratra ny filazantsara - i Maria Magdalena sy i Maria renin'i Josesy. lzy roa vavy ireo niaraka tamin'i Salome no nijery ny fanomboana an'i Jesôsy tamin'ny hazo fijaliana teny lavitra; izy telo ireo no nandeha tany amin'ny fasana ny Alahady maraina mba hanosotra ny fatin'i Jesôsy araka izay noheveriny (Mar. 16:1).

Nahoana moa no notononina ny anaran'ireo vehivavy telo ireo? Ho vavolombelon'ny fasana foana izy ireo ao amin'ny Mar. 16; vavolombelona lehiben'ny fitsanganan'i Jesôsy amin'ny maty izy ireo.

Toa mahagaga ny tsy nanatrehan'ireo mpanara-dia an'i Jesôsy ny toe-javatra kanefa ny mambran'ny Synedriona, ilay sokajin'olona izay nanameloka an'i Jesôsy, no tonga "mahery fo" eto. Ahoana no ahazoantsika antoka fa hanatrika ny toe-javatra manan-danja koa isika amin'ny fotoana hisian'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal