Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NISEHO TAMIN'I MARIA SY NY MARO HAFA I JESÔSY

Daty
Alarobia 25 September 2024

Vakio ny Mar. 16:9-20. Inona ny fanampim-panazavana omen'ireo andininy ireo momba ny tantaran'ny nitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty?

Saika misy itoviany amin'ireo andininy hafa ao amin'ny TV ny voalaza ao amin'ny Mar. 16:9-20 - i Maria Magdalena nahita an'i Jesôsy teo amin'ny fasana (Mat. 28:1,9,10; Jao. 20:11-18; ampitahao amin'ny Lio. 8:2); nahita Azy ireo roa Iahy nankany an-tsaha (Lio. 24:13-35); naniraka azy roa ambin'ny folo Iahy i Jesôsy (Mat. 28:16-20, Lio. 24:36-49, Jao. 20:19-23).

I Maria Magdalena no voalohany nahita an'i Jesôsy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty (Jao. 20:11-18). Nisy vehivavy maro hafa koa nahita Azy (Mat. 28:8-10). Misy antony lehibe ny hoe vehivavy no voalohany nahita ny Tompo nitsangana tamin'ny maty. Tsy dia nomen-danja loatra tokoa mantsy ny fanambarana nataon'ny vehivavy teo amin'ny tontolo fahiny. Koa raha namboamboarina ity tantaran'ny fitsanganana amin'ny maty ity dia inoana fa lehilahy no nolazaina ho nahita maso voalohany ny Tompo efa nitsangana. Kanefa tsy lehilahy no nahita, tsy iray amin'izy iraika ambin'ny folo Iahy akory aza, fa vehivavy iray. Nandeha nilaza ny vaovao mahafaly tamin'ny mpianatra izy, kanefa, araka ny efa ampoizintsika, dia tsy nino ny fanambarany ireo; angamba satria tsara loatra izany ka tsy mampino, ary satria koa vehivavy i Maria, indrisy.

lo hevitra io, izany hoe vehivavy no voalohany nahita ny Tompo efa nitsangana, no nataon'ireo mpanohana ny tantaran'ny nitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty porofo lehibe ny amin'ny fahamarinan'izany tantara izany.

Inona no mitranga ao amin'ny Mar. 16:14, izay tsy mampitombina ny hoe noforomporonina io tantara io?

Mazava loatra, raha namboarin'ny mpianatra izany tantara izany, nahoana izy ireo no manaratsy laza ny tenany toy izao? Nanome tsiny azy ireo i Jesôsy noho ny "hamafin'ny fony". Nanomboka tamin'ny fotoana nisamborana an'i Jesôsy ka hatramin'ny fotoana nisehoany taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty, dia ratsy dia ratsy ny fanoritsoritan'ny filazantsara ireo mpanara-dia an'i Jesôsy: mandositra, mandà, tsy mina, sy ny sisa. Tsy mitombina ny hoe noforonina fotsiny ilay tantara.

Ny nitorian'izy ireo tamim-pahasahiana sy ny fahatapahan-kevitra taty aoriana momba ny fitsanganan’i Kristy tamin'ny maty sy ny fanantenana entin'izany ho an'ny olona rehetra, dia manaporofo mazava ny fahamarinan'ny fanambarany.

Ahoana no hiarovantsika tena tsy ho Iatsaka amin'ny fandriky ny fisalasalana sy ny tsy finoana? Nahoana isika no tsy maintsy mifandray isan'andro Kristy nitsangana tamin'ny maty? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal