Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NITSANGANA TAMIN'NY MATY IREO VAVOLOMBELONA ROA 

Daty
Alarobia 08 May 2024

Vakio ny Apôk. 11:11. Inona ny faminaniana ataon'io andininy io momba ny Tenin'Andriamanitra?

Tamin'ny fiafaran'ny Revolisiona frantsay dia velona indray (ara-panoharana) ny Tenin'Andriamanitra. Nisy ny fifohazana mahery vaika. Nisy tahotra lehibe nahazo ireo izay nahita ny Tenin'Andriamanitra ho tonga hery velon'Andriamanitra ho an'ny famonjena. Tamin'ny fiafaran'ny taonjato faha-18 dia nanangana lehilahy sy vehivavy izay nanolo-tena hitondra ny Filazantsara hatrany amin'ny faran'ny tany Andriamanitra. Nampiely ny hafatry ny Baiboly haingana ny olona, toa an'i William Carey izay nankany Inde sy nandika ny Baiboly amin'ny tenim-paritra indianina am-polony maro. Misiônera maro no nalefa manerana an'izao tontolo izao rehefa natosiky ny herin'ny Baiboly.

Tsy kisendrasendra raha taorian'ny Revolisiona frantsay no teraka ireo ezaka misiônera maneran-tany. Teny velona ny Tenin'Andriamanitra, ary na dia toa "maty" aza izany teo anatrehan'ny olona maro dia velona hatrany tao am-pon'ny mpino ary nitsangana tamin'ny maty mba ho feno fahavelomana, araka ny nolazain'ireo faminanian'ny Apôkalipsy mialoha. "Nirehareha fatratra i Voltaire, mpanoratra frantsay tamin'ny taonjato fahavalo ambinifolo, lehilahy tsy nino an'Andriamanitra, raha niteny indray andro nanao hoe:`Mahavalalanina ahy ny mandre fa olona roa ambinifolo no nanangana ny Fivavahana Kristiana. Hoporofoiko fa olona iray dia ampy handrodana an’izany.' Nisy taranaka nifandimby hatramin'ny nahafatesany, an-tapitrisany ny olona nanampy hiady tamin'ny Baiboly. Nefa sanatria azy ny ho levona, fa tamin'ny toerana izay nisian'ny Baiboly zato tamin'ny andron'i Voltaire, ankehitriny dia misy bokin'Andriamanitra iray alina, eny iray hetsy aza. Araka ny tenin'ny Mpanavao fivavahana anankiray anisan'ny voalohany, mikasika ny fiangonana Kristiana, dia ´riandriana izay nanamongomongo tantanana maro ny Baiboly'." — HM, t. 298.

Vakio ny Sal. 119:89 sy ny Sal. 111:7, 8. Inona no lazain'ireo andininy ireo amintsika momba ny Baiboly, ary nahoana isika no afaka matoky izany?

Azo atao ny mamely na manafoana ny Tenin'Andriamanitra saingy tsy ho fongana na oviana na oviana izany. Maro amin'ireo izay milaza azy ho Kristianina no manambany ny fahefan'ny tenin'Andriamanitra amin'ny fomba maro samihafa, amin'ny fisalasalany mikasika ny ampahany sasany amin'ny Baiboly na amin'ny fanasongadinana fatratra ny singa maha-olombelona ao amin'izany ka veriny tanteraka ny fanombohan-kasen'Andriamanitra, ary tonga osa ny fahamarinan'Andriamanitra.

Tsy tokony hamela ny tenantsika ho voataonan'ireo famelezana atao amin'ny Tenin'Andriamanitra isika. Mbola velona izany ankehitriny, miteny amin'ny fon'olombelona, manome aina vao ho an'ireo izay vonona hihaino azy sy hanaraka ny fampianarany.

Inona avy ireo faminaniana miantefa aminao manokana, ary nahoana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (54)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal