Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FANAON'OLOMBELONA SA NY DIDIN'ANDRIAMANITRA?

Daty
Alahady 04 August 2024

Vakio ny Mar. 7:1-13. Inona ny fahamarinana manan-danja aseho eto?

Alao sary an-tsaina ny ankizy mianatra momba ity andalan-teny ity ao amin'ny Sekoly Sabata ka milaza amin-dreniny rehefa tonga any an-trano fa tsy voatery hanasa tanana izy mialoha ny hisakafoana satria izany no nambaran'i Jesôsy. Tsy mahakasika ny fahasalamana anefa ity tantara ity.

Olona maro tany amin'izany tany izany, tamin'ny andron'i Jesôsy, no sarotiny fatratra momba ny fombafomba mifandraika amin'ny fahadiovana. Niitatra tamin'ny olon-tsotra, nandritra ny vanim-potoana teo anelanelan'ireo Testamenta roa, ny fanasana tanana mba hampadio araka ny fomba, na dia natao mba hampiharin'ireo mpisorona tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha aza izany fitsipika izany tany am-piandohana (Eks. 30:17-21). Nifandraika tamin'izany fomba fijery izany ny fimonomononan'ny mpitondra fivavahana tamin'i Jesôsy mikasika ireo mpianany.

Tsy novalian'i Jesôsy teo no ho eo ny fanontaniana napetraka taminy fa niaro ireo mpianany tamin'ny valinteny roa sosona izy. Voalohany, naveriny ny teny fananarana mahery vaika nataon'i Isaia tamin'ny firenena izay manaja an'i Jehôvah amin'ny molony kanefa mampanalavitra Azy ny fony (Isa. 29:13). Manohy izany teny avy ao amin'ny Isaia izany ny fanamelohana mifandraika amin'ny fametrahana ny fombafomban'olombelona ho eo amin'ny toeran'ny didin'Andriamanitra.

Namerina indray ny teny nataon'i Isaia ny tapany faharoa tamin'ny valintenin'i Jesôsy. Naverin'ny Tompo ny didin'Andriamanitra ny amin'ny hanajana ny ray aman-dreny (Eks. 20:12); izany hoe, ny tokony hikarakarana azy ireo amin'ny fahanterany. Nampifanoheriny tamin'izany ny fombafombam-pivavahana izay nanoloran'ny olona fanatitra ho an'Andriamanitra (fanomezana, korbana), na nampiasany izany ho an'ny tenany, kanefa tsy nanaiky ny hampiasa izany ho an'ireo ray aman-dreniny efa antitra izay mahantra izy ireo. Toa azontsika an-tsaina izany tantara izany: "Miala tsiny aho ry Dada, te hanampy anao aho kanefa nomeko ny tempoly ny vola."

 Izany karazana fihatsarambeiatsihy izany no nomelohin'i Jesôsy tsy tamim-pihambahambana. Nametraka ny fomban'olombelona ho ambonin'ny Tenin'Andriamanitra izy ireo, ary nanota izy tamin'izany.

Inona àry no valin'ny fanontanian'ireo Fariseo? Hita taratra tamin'ny valintenin'i Jesôsy fa tsy resy lahatra izy fa zava-dehibe araka ny sitrapon'Andriamanitra ny fanasana tanana izay nampidrikina ireo Fariseo. Manohana an-karihary ny baikon'ny Lalàna ho ambonin'ny fomban'olombeiona kosa ny valinteniny. (Jereo koa ny Mar. 1:44; Mar. 7:10-13; Mar. 10:3-8; Mar. 12:26, 29-31).

Mety hanana "fombafomba" izay mifanohitra amin'ny didin'Andriamanitra ve isika? Raha eny, inona izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal