Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FANORENAN'NY FITONDRAM-PANJAKAN'ANDRIAMANITRA

Daty
Sabotsy 25 May 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro : Apôk. 14:6-12; Mpitt. 12:13, 14; Ohab. 28:9; Dan. 7:25.

Tsianjery: "Dia tezitra tamin'ilay vehivavy ny dragona ka lasa nandeha hiady tamin'ny zanany sisa, izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesôsy." – Apôk. 12:17. 

Tamin'ny alalan'ny fandinihana lalina ny Baiboly no nahatakaran'ny Advantista ny hevitry ny lalàna ao amin'ny efitra masina indrindra ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra. Tamin'ny fandinihana ny ivon'ny lalàn'Andriamanitra no nahitan'izy ireo koa ny hevitry ny Sabata, ny didy fahefatra. Raha ny marina, io didy io, ambonin'ny hafa rehetra, no manondro mazava an'Andriamanitra ho Mpamorona antsika, ilay fanorenan'ny fiankohofana marina rehetra – lohahevitra izay hisongadina manokana amin'ny andro farany amin'ny tantaran'ny tany (jereo ny Apôk. 14:6-12).

Tanjon'i Satana hatrany am-piandohana ny handrava ny fiankohofana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny famelezana ny Lalany. Fantany fa izay diso "amin'ny iray loha" dia "meloka amin'ny rehetra" (Jak. 2:10); noho izany dia mampirisika ny olona izy handika ny lalàn'Andriamanitra. Halan'i Satana ny Sabata satria mampahatsiahy ny olona ny Mpamorona sy ny fomba tokony hiankohofana Aminy. Voarakitra ao amin'ny lalàn'Andriamanitra koa izany, ao amin'ny efitra masina indrindra any an-danitra. Satria ny lalana no mamaritra ny fahotana, raha mbola miezaka ny ho mahatoky amin'Andriamanitra ny olona dia tokony hanan-kery hatrany ny Lalàny, ao anatin'izany ny didy momba ny Sabata.

Ny tanjon'ity lesona ity dia ny haneho ny fifandraisana misy eo amin'ny Fitoerana Masina, ny lalàn'Andriamanitra, ny Sabata ary ny fotoan-tsarotra ho avy izay mifandraika amin'ny mariky ny bibidia. Hodinihintsika ihany koa ny lanjan'ny Sabata ho an'ny taranaka amin'ny andro farany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sat 19 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fampidirana.
Sun 20 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Jehôvah sa ireo andriamani-kafa?
Mon 21 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Iza no nanamafy ny fon’i Farao?
Tue 22 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Ny loza telo voalohany.
Wed 23 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Lalitra, biby fiompy ary vay.
Thu 24 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Havandra, valala ary haizina.
Fri 25 Jul 2025
Lesona 4: IREO LOZA TANY EGYPTA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal