Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FITOERANA MASINA SY NY LALANA

Daty
Alahady 26 May 2024

Vakio ny Apôk. 11:19, Eks. 25:16, Eks. 31:18, ary ny Apôk. 12:17. lnona no lazain'ireo andininy ireo fa tao anatin'ny fiaran'ny fanekena ao amin'ny efitra masina indrindra ao amin'ny Fitoerana Masina?

Andro fitsarana ny andro fanavotana. Nodidiana ny lsiraelita rehetra handray anjara amin'izany hetsika izany amin'ny fibebahana sy ny fandinihana ny fo ary amin'ny fitsaharana amin'ny asa rehetra (jereo ny Lev. 23:29-31). Amin'io andro io ihany no idiran'ny mpisoronabe ao amin'ny efitra masina indrindra mba hanao fanavotana noho ny ota. Tao amin'ny faritra anatiny indrindra amin'ny Fitoerana Masina no nisy ny fiaran'ny fanekena. Tao anatin'io fiara io no nisy ny didy folon'Andriamanitra, voasoratra tamin'ny vato fisaka. Nantsoina hoe rakotra fanaovam-panavotana ny rakotr'ilay fiara izay vita amin'ny volamena, teo no namafazana ny ra mba hanadiovana ny Fitoerana Masina amin'ny fahotana. Niseho tao amin'ny voninahitry ny Shekinah teo ambonin'ny rakotra fanaovam-panavotana ny fanatrehan'Andriannanitra. Ny sorona rehetra natao dia naneho ny famindram-pon'Andriamanitra ho an'ny olombelona mpanota rehetra, ary ny andro fanavotana kosa dia maneho fa hotsaroana mandra-pahatonga ny andro fitsarana ny fahotana (Heb. 10:3) ary tsy ho voaisotra tanteraka izany raha tsy amin'ny alalan'ny finoana ny ran'i Kristy izay manadio ny fahotana (1 Pet. 1:18,19). Eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra ao no ikambanan'ny famindram-po sy ny rariny.

Raha nijery ny Fitoerana Masina any an-danitra i Jaona apôstôly dia nahita "ny tempolin'Andriamanitra novohana" sy ny "fiaran'ny fanekeny' (Apôk. 11:19). Izao no anampian’ny Hery Mifanandrina izany famakafakana izany: "Ao amin'ny efitra masina indrindra any amin'ny fitoerana masina any an-danitra, no iraketana amim-pahamasinana ny lalàn'Andriamanitra — dia ilay lalàna  izay notononin'Andriamanitra mihitsy tao anivon'ny kotro-baratra tao Sinay ary nosoratany tamin'ny rantsan-tanany teo amin'ny vato fisaka. Ny lalan'Andriamanitra ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra no ilay tena izy marina, fa kopian'izany tsy misy diso kosa ireo didy voasoratra teo amin'ny vato fisaka sy noraketin'i Mosesy tao amin'ny boky nosoratany. Ny olona izay nahazo fahalalana ny amin’io zava-dehibe io dia voatarika hahita ny toetry ny lalàn'Andriamanitra izay masina sady tsy miova." – HM, t. 448.

Raha nandalina ny fampianaran'ny Baiboly mikasika ny Fitoerana Masina ireo mpino Advantista voalohany dia nahita ny maha-zava-dehibe ny lalàn'Andriamanitra sy ny Sabata eo anivon'ny lalàn'Andriamanitra. Noheveriny fa raha naseho tao amin'ny fiaran'ny fanekena ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra ny lalàn'Andriamanitra dia azo antoka fa tsy nofoanana teo amin'ny hazo fijaliana izany.

Saintsaino ny amin'ny Sabata izay, tonga eo amintsika isaky ny herinandro amin'ny hafainganam-pandeha mihoatra ny arivo kilometatra isan'ora, ary misy tsy tapaka izany. Inona no ampianarin'izany antsika ny amin'ny maha-zava-dehibe ny foto-pinoana momba ny famoronana?' Inona koa ny foto-pinoana ahitana fampahatsiahivana miezinezina sy miverimberina toy izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal