Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY JIRO SY NY VATA FAMARANA

Daty
Alarobia 24 July 2024

Vakio ny Mar. 4:21-23. Inona ny zavatra asongadin'i Jesôsy ao amin'ny fanoharana momba ny jiro?

Samy nanana ny habeny sy ny endriny ny trano tany amin'ny faritra nisy an'i Jesôsy tamin'ny androny; arakaraka ny toerana nisy ny trano sy ny haren'ny tompony izany. Nanaraka ny fomba fanorenana trano grika izany, izay nanorenana trano manodidina ny tokotany iray, saingy samihafa ny endriny. Azo heverina koa anefa fa miresaka momba ny trano kely kokoa an'ny tantsaha i Jesôsy. Na trano lehibe izany na kely, dia izao no foto-kevi-dehibe tiana hambara: indray andro any dia hiseho ny fahamarinana momba an'i Jesôsy.

Mametraka fanontaniana roa i Jesôsy ao amin'ny Mar. 4:21. Valinteny mitory fandavana no andrasan'ny fanontaniana voalohany - "Moa entina va ny jiro mba hosaronan'ny vata famarana, na hatao ao ambanin'ny farafara?" "Eny" kosa no valinteny andrasan'ny fanontaniana faharoa manao hoe: "Tsy hatao eo amin'ny fanaovan-jiro va izy?" Toe-javatra toa tsy manaraka ny lôjika, na mahatsikaiky mihitsy aza, no anehoan'i Jesôsy ny hevitra tiany hambara. Natao hitondra fahazavana ny jiro, raha tsy izany dia foana ny antom-pisiany. Hazavain'ny Mar. 4:22 io fanoharana io ka tondroiny amin'izany ny tsiambaratelo izay aharihary ampahibemaso. Fantatry ny olona izay niharan'ny hosoka teo amin'ny mailaka na ny solosaina ampiasainy izany hoe manana tsiambaratelo nanjary miharihary ampahibemaso! Ny filazantsara anefa no resahin'i Jesôsy eto.

Vakio ny Mar. 4:24,25. Inona ny lesona ampianarin'i Jesôsy amin'ny alalan'ny fanoharana momba ny vata famarana?

Amidy eny an-tsena ankalamanjana ny entana vaovao any amin'ny faritra maro eto an-tany. Manana fitaovana famarana ny entana amidiny ny mpivarotra. Fomba fanaon'ny mpivarotra tahaka izany ny manampy kely amin'ilay entana mba hahatsapan'ny mpividy fa nomena fahafaham-po izy. Noraisin'i Jesõsy ny fomba fanaon'ny mpivarotra tsara amin'ny mpividy mba hampitana hevitra mikasika ny fandraisana ny fahamarinana. Raha mandray sy manaraka ny fahazavana ny olona dia hahazo mihoatra noho izay ananany aza. Raha mandà ny fahazavana kosa izy dia na ny kely ananany aza hesorina aminy.

Ahoana no hianarantsika bebe kokoa ny fitsipika momba ny hamarana ny olona araka ny famarana ampiasainy? Eritrereto izany eo amin'izay rehetra ataonao amin'ny hafa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (72)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal