Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY NIANDOHAN'NY FILAZANTSARA

Daty
Sabotsy 29 June 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Asa. 13:1-5,13; Asa. 15:36-39; Mar. 1:1-15; Isa. 40:3; Dan. 9:24-27.

Tsianjery: "Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesôsy nitory ny filazantsaran’Andriamanitra ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha hianareo ka minoa ny filazantsara." - Mar. 1:14,15.

Iza moa no nanoratra ny filazantsaran'i Marka, ary nahoana izany no nosoratana? Tsy misy na iray amin'ny filazantsara aza manonona ny anaran'ny mpanoratra azy. Ao amin'ny filazantsaran'i Jaona izao no mety ho azo veroka indrindra izany, noho ilay filazana hoe: "ny mpianatra izay tian'i Jesosy" (jereo ny Jao. 21:20,24).Kanefa hatrany am-piandohana, ireo boky nekena ho Filazantsara dia na mifandray amin'ny apôstôly iray (Matio, Jaona), na amin'ny mpiara-dia amin'ny apôstôly iray. Ohatra, ny filazantsaran'i Lioka dia mifandray amin'i Paoly (jereo ny Kôl. 4:14; 2 Tim. 4:11; Filem. 1:24), ary ny filazantsaran'i Marka dia mifandray amin'i Petera (jereo ny 1 Pet. 5:13).

Na dia tsy manonona ny anarany mihitsy aza ny mpanoratra ny Marka ao amin'ilay boky, ny lovan-tsofin'ny fiangonana voalohany dia milaza fa i Jaona Marka no nanoratra ny filazantsaran'i Marka, izay mpiara-dia amin'i Paoly sy i Barnabasy, nanampy azy ireo tsindraindray (Asa. 13:2,5), ary tatỳ aoriana, niaraka tamin'i Petera (1 Pet. 5:13).

Mandritra ity herinandro ity dia hijery ny amin'i Marka aloha isika, dia ny tsy fahombiazany sy ny nahatafarina azy nony farany, araka ny voatantara ao amin'ny Soratra Masina. Avy eo dia hiompana amin'ny fandinihana ny ampahany voalohany amin'ny bokiny, ka amin'izany dia sady hitazana any aloha isika, any amin'izay tian'ny tantara hahatongavana, no hitodika any amin'ny lasa koa, hahita ny antony nanosika ity misiônera lavo sy mba tafarina ity hanoratra boky toy izao.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Fampidirana
Sun 18 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Ilay Mpisoronabentsika
Mon 19 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Eo an-tendrombohitra Ziona.
Tue 20 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Ny làlana ao am-pontsika.
Wed 21 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Salamo 5.
Thu 22 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Hampianatra ny olon-diso ny làlanao.
Fri 23 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny
Sat 17 May 2025
Lesona 8: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 1 - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal