Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY SABATA SY NY LALANA 

Daty
Talata 28 May 2024

Vakio ny Apôk. 14:6,7; Apôk . 4:11; Gen. 2:1-3; sy ny Eks. 20:8-11. Inona ny fifandraisana misy eo amin'ny famoronana sy ny Sabata ary ny lalàn'Andriamanitra?

Maneho ny tombambidintsika eo imason'Andriamanitra ny famoronana. Tsy irery isika eto amin'izao tontolo rehetra izao, na dia teboka kely iray ao amin’ny erana manontolo aza, ary tsy vokatry ny fototarazo nisy kisendrasendra. Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny tantara ara-tsiansa fantatry ny maro mahakasika ny fiandohan'ny fiainana, izay raisin'ireo haino vaky jery sy ny kolontsaina fanta-daza, dia maneho fomba fijery mahakasika ny fiandohantsika izay mifanipaka amin'ny lafiny rehetra amin'ny fitantaran’ny Baiboly.

Eto isika satria namorona antsika i Jesôsy . Ary mendrika ny hiankohofantsika Izy, tsy noho ny namoronany antsika fotsiny izany fa noho ny namonjeny antsika koa. Ny famoronana sy ny famonjena no ivon'ny fiankohofana marina rehetra. Izany no antony mahatonga ny Sabata ho zava-dehibe ho an'ny fahatakarana ny drafi-pamonjena. Maneho ny fiahian'ny Mpamorona sy ny fitiavan'ny Mpanavotra ny Sabata.

Tamin'ny fiafaran'ny herinandro famoronana dia nitsahatra tao anatin'ny fahatsarana sy ny fahalehibeazan'ny tontolo izay noforoniny Andriamanitra. Nitsahatra koa Izy mba ho ohatra ho antsika. Fiatoana isan-kerinandro mba hiderana an'llay namorona antsika ny Sabata. Rehefa manao fiankohofana amin'ny Sabata isika dia manokatra ny fontsika mba handray ny fitahiana manokana izay nataony ao amin'izany andro izany fa tsy nataony ao amin'ny andro hafa.

Ny Sabata dia mampitodika antsika amin'ilay Mpahary izay tia antsika loatra ka tsy nandao antsika rehefa nanalavitra ny tanjona izay napetrany ho antsika isika. Tandindona mandrakizain'ny fitsaharantsika ao Aminy ny Sabata. Famantarana manokana ny fahatokiantsika amin'ilay Mpahary izany (Ezek. 20:12,20). Famantarana ny fitsaharana izany fa tsy ny asa; ny fahasoavana fa tsy ny fitandreman-dalàna ho fitadiavam-pamonjena; ny toky fa tsy ny fanamelohana; ny fiankinana amin'Andriamanitra mba hahazoana famonjena fa tsy amin'ny tenantsika. Ny tena fitsaharana marin'ny Sabata dia ny fitsaharana feno fahasoavana eo amin'ny sandrim-pitiavan'llay nahary antsika sy namonjy antsika ary Ilay ho avy indray ho antsika. 

Ny hafatry ny Apôk. 14, hafatr'Andriamanitra ho an'ny andro farany, dia miantso ny olona hitsahatra ao amin'ny Fitiavany sy ny Fiahiany isaky ny Sabata. Manasa antsika hahatsiaro Ilay nahary antsika sy hanome voninahitra Azy izany. Ny fitandremana ny Sabata dia fifamatorana eo amin'ny fahatanterahan'i Edena sy ny voninahitr'ilay lanitra sy tany vaovao ho avy. Mampahatsiahy antsika izany fa indray andro any dia ho tafaverina amin'ny laoniny ny famirapiratan'i Edena.

Ny ankamaroan'ny Advantista mitandrina ny andro fahafito dia nampangaina ho mpitandrin-dalàna ho fitadiavam-pamonjena ary izany fiampangana izany dia mifandray ankapobeny amin'ny fitandremantsika ny Sabata. Ifanakalozy hevitra ny amin'ny Sabata amin'ny maha-tandindon'ny famonjena sy ny fanamarinana amin'ny finoana izany. Nahoana ny fitandremana ny baikon'Andriamanitra ny mba hitsaharantsika no mitarika ny olona hieritreritra fa miezaka ny ho tonga any an-danitra amin'ny alalan'ny asa isika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal