Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY SABATA SY NY LALANA 

Daty
Talata 28 May 2024

Vakio ny Apôk. 14:6,7; Apôk . 4:11; Gen. 2:1-3; sy ny Eks. 20:8-11. Inona ny fifandraisana misy eo amin'ny famoronana sy ny Sabata ary ny lalàn'Andriamanitra?

Maneho ny tombambidintsika eo imason'Andriamanitra ny famoronana. Tsy irery isika eto amin'izao tontolo rehetra izao, na dia teboka kely iray ao amin’ny erana manontolo aza, ary tsy vokatry ny fototarazo nisy kisendrasendra. Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny tantara ara-tsiansa fantatry ny maro mahakasika ny fiandohan'ny fiainana, izay raisin'ireo haino vaky jery sy ny kolontsaina fanta-daza, dia maneho fomba fijery mahakasika ny fiandohantsika izay mifanipaka amin'ny lafiny rehetra amin'ny fitantaran’ny Baiboly.

Eto isika satria namorona antsika i Jesôsy . Ary mendrika ny hiankohofantsika Izy, tsy noho ny namoronany antsika fotsiny izany fa noho ny namonjeny antsika koa. Ny famoronana sy ny famonjena no ivon'ny fiankohofana marina rehetra. Izany no antony mahatonga ny Sabata ho zava-dehibe ho an'ny fahatakarana ny drafi-pamonjena. Maneho ny fiahian'ny Mpamorona sy ny fitiavan'ny Mpanavotra ny Sabata.

Tamin'ny fiafaran'ny herinandro famoronana dia nitsahatra tao anatin'ny fahatsarana sy ny fahalehibeazan'ny tontolo izay noforoniny Andriamanitra. Nitsahatra koa Izy mba ho ohatra ho antsika. Fiatoana isan-kerinandro mba hiderana an'llay namorona antsika ny Sabata. Rehefa manao fiankohofana amin'ny Sabata isika dia manokatra ny fontsika mba handray ny fitahiana manokana izay nataony ao amin'izany andro izany fa tsy nataony ao amin'ny andro hafa.

Ny Sabata dia mampitodika antsika amin'ilay Mpahary izay tia antsika loatra ka tsy nandao antsika rehefa nanalavitra ny tanjona izay napetrany ho antsika isika. Tandindona mandrakizain'ny fitsaharantsika ao Aminy ny Sabata. Famantarana manokana ny fahatokiantsika amin'ilay Mpahary izany (Ezek. 20:12,20). Famantarana ny fitsaharana izany fa tsy ny asa; ny fahasoavana fa tsy ny fitandreman-dalàna ho fitadiavam-pamonjena; ny toky fa tsy ny fanamelohana; ny fiankinana amin'Andriamanitra mba hahazoana famonjena fa tsy amin'ny tenantsika. Ny tena fitsaharana marin'ny Sabata dia ny fitsaharana feno fahasoavana eo amin'ny sandrim-pitiavan'llay nahary antsika sy namonjy antsika ary Ilay ho avy indray ho antsika. 

Ny hafatry ny Apôk. 14, hafatr'Andriamanitra ho an'ny andro farany, dia miantso ny olona hitsahatra ao amin'ny Fitiavany sy ny Fiahiany isaky ny Sabata. Manasa antsika hahatsiaro Ilay nahary antsika sy hanome voninahitra Azy izany. Ny fitandremana ny Sabata dia fifamatorana eo amin'ny fahatanterahan'i Edena sy ny voninahitr'ilay lanitra sy tany vaovao ho avy. Mampahatsiahy antsika izany fa indray andro any dia ho tafaverina amin'ny laoniny ny famirapiratan'i Edena.

Ny ankamaroan'ny Advantista mitandrina ny andro fahafito dia nampangaina ho mpitandrin-dalàna ho fitadiavam-pamonjena ary izany fiampangana izany dia mifandray ankapobeny amin'ny fitandremantsika ny Sabata. Ifanakalozy hevitra ny amin'ny Sabata amin'ny maha-tandindon'ny famonjena sy ny fanamarinana amin'ny finoana izany. Nahoana ny fitandremana ny baikon'Andriamanitra ny mba hitsaharantsika no mitarika ny olona hieritreritra fa miezaka ny ho tonga any an-danitra amin'ny alalan'ny asa isika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fampidirana.
Sun 27 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny didy voalohany indrindra
Mon 28 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 2
Tue 29 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 7
Wed 30 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny tany sy ny ranomasina
Thu 01 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Maminany indray
Fri 02 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fianarana fanampiny.
Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal