Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY SOMBI-MOFO HO AN'NY AMBOAKELY

Daty
Talata 06 August 2024

Vakio ny Mar. 7:24-30. Inona ny lesona manan-danja hita ao amin'io tantara io?

Taorian'ny andalan-teny saro-takarina tao amin'ny lesona omaly, dia miteraka fanontaniana saro-baliana koa ny tantara ao amin'ireto andalan-teny ireto. Nahoana i Jesôsy no nanao valinteny henjana tamin'ilay vehivavy ka niantso azy hoe amboakely mihitsy aza?

Tsy hazavainy mivantana izany, kanefa maneho ny lesona tiany hampitaina ny valinteniny izay toa ahitana lafin-javatra roa. Ambarany ao amin'ny Mar. 7:27 fa ny zaza "aloha" no tokony ho voky. Raha misy ny "aloha" dia azo heverina ny hisian'ny "izay vao..." aorian'izany. Ny lafiny faharoa dia ny fampiasan'i Jesôsy endri-panalefahana ao amin'ny teny hoe amboa, izay tsy midika ho zanak'alika, fa ireo alika izay avela handeha ao an-trano tsy tahaka ireo mpirenireny eny amin'ny arabe. Naverin'ilay vehivavy ireo teboka roa ireo, izay nanazava ny valinteniny, raha namaly an'i Jesôsy izy.

Somary nivantambantana ny valintenin-dravehivavy. Hoy izy: "Eny, Tompoko, kanefa na dia ny amboakely ao ambanin'ny latabatra aza dia mba mihinana ny sombintsombin'ny mofon-jaza ihany." - Mar. 7:28.

Ahoana no nahatonga io vehivavy io hanao izany valinteny izany tamin'i Jesôsy? Azo antoka fa ny fitiavany ny zanany vavy no nanosika azy tamin'izany kanefa nandrisika azy koa ny tenin'i Jesôsy. Ny teniny hoe "aloha" dia naneho fa hisy ny aorian'izany. Ankoatra izany, nambarany fa amboakely ao ambany latabatra ravehivavy. Tahaka ny amboa ao an-trano izay ao ambany latabatra no nankanesany teo an-tongotr'i Jesôsy mba hitalaho ho an’ny zanany vavy. Notakiny tamin'izany ny zon'ny amboakely amin'ny hanina izay latsaka eo amin'ny tany.

Maneho ny finoan'ilay vehivavy ny valinteniny. Ny fiantsoany ny fahagagan'ny fanasitranana avy eny lavitra izay atao amin'ny zanany vavy hoe "sombintsombin'ny mofo" dia maneho fa lehibe tokoa ny herin'i Jesôsy (raha sombi-mofo ny fahagagana toy izany, dia ho toy ny ahoana moa ny mofo?), maneho koa izany fa ny famalian'i Jesôsy ny fangatahany dia zavatra kely foana ho Azy. Nanetsika ny fon'i Jesôsy izany ka novaliany ny fangatahan-dravehivavy.

 "Tamin'ny fifandraisany taminy, dia nasehony fa izay noheveriny ho lavin'ny fiaraha-monina tsy ho ao lsiraely dia tsy vahiny intsony, fa zanaka ao amin'ny ankohonan'Andriamanitra. Amin'ny maha-zanaka azy dia tombontsoany ny mandray anjara amin'ny fanomezan'ny Ray." - IFM, t. 428.

Nahoana ny fitsaratsarana mikasika ny fihodirana sy ny fiaviana no mifanohitra amin'ny fampianaran'i Jesôsy? Ahoana no hahafahantsika miala amin'izany faharatsiana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (26)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal