Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tontolon'ny Salamo

Daty
Alakamisy 04 January 2024

Vakio ny Sal. 16:8: Sal. 44:8; Sal. 46:1; Sal. 47:1,7; Sal, 57:2; Sal. 62:8; Sal. 82:8 ary ny Sal. 121:7. Inona ny toerana tanan’Andriamanitra eo amin'ny fiainan'ny mpanao Salamo?

Mifantoka manontolo amin’Andriamanitra ny tontolon’ny Salamo; manao izay hampileferana Aminy ireo fanandramam-piainana rehetra, amin’ny alalan'ny vavaka sy ny fiderana izany. Andriamanitra no Mpamorona tsitoha, sy Mpanjaka ary Mpitsara ny tany rehetra. Manome ny zavatra rehetra ho an’ny zanany Izy ka tokony hitokiana amin’ny fotoana rehetra. Na ireo fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra aza dia manontany hoe: “Aiza izay Andriamanitrao?" rehefa hita ho tsy mahomby ny vahoakan’Andriamanitra (Sal. 42:10). Eo mandrakariva ny Tompo ary Andriamanitra tsy mba manary ny olony, koa teo mandrakariva ho azy ireo Izy. Farany, miresaka mialoha momba ny fotoana izay hihobian’ny olona rehetra sy ny firenen-drehetra an’Andriamanitra ny Salamo (Sal. 47:1; Sal. 64:9).

Rehefa atao ivon’ny fiainana Andriamanitra dia manjary mifantoka amin’ny fiankohofana ny fiainana. Samy hafa amin’ny fiankohofana araka ny fahatakaran’ny ankamaroan’ny olona azy ankehitriny ny fiankohofana nataon'ny Salamo, satria ny fiankohofana tamin’ny kolontsain’ny Baiboly dia tsy isalasalana fa ivon’ny fiainan’ny fiarahamonina iray manontolo. Araka izany, ny zavatra rehetra izay nitranga, na ny ratsy na ny tsara, teo amin’ny fiainan'ny vahoakan’Andriamanitra dia nambara tamin’ny fiankohofana. Ren’Andriamanitra ny mpanao Salamo, na aiza na aiza no misy azy, ary valiany amin’ny fotoana hitany fa mety indrindra (Sal. 3:4; Sal. 18:6; Sal. 20:6).

Fantatry ny mpanao Salamo tsara fa any an-danitra no fitoeran’Andriamanitra, kanefa miaraka amin'izay dia monina any Ziona Izy, ao amin’ny fitoerana masina eo amin’ny olony. Sady lavitra Andriamanitra no akaiky, any amin’ny toerana rehetra Izy, ary ao amin’ny tempoliny (Sal. 11:4), miery (Sal. 10:1), ary manatrika (Sal. 41:12). Atambatra ao amin’ny Salamo ireo toetran’Andriamanitra izay toa mifanohitra ireo raha ny fijery azy. Takatry ny mpanao Salamo mantsy fa tsy afa-misaraka amin’ny maha-lzy an’Andriamanitra ny maha-lavitra sy akaiky Azy (Sal. 24:7-10). Ny fahafantaran’izy ireo ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny fanatrehany, eo anatrehan’ny toe-javatra rehetra lalovany, no mampahatanjaka ny fanantenany raha eo am-piandrasana ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra na oviana na oviana ary amin’izay tomba safidiny hanaovana izany.

Ahoana no anampian'ny mpanao Salamo antsika hahatakatra fa tsy azontsika ferana ho amin’ny lafiny sasany amin'ny fisiantsika fotsiny Andriamanitra? Ampahany inona amin’ny fiainanao no tadiavinao hanalavirana an’Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal