Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny tontolon'ny Salamo

Daty
Alakamisy 04 January 2024

Vakio ny Sal. 16:8: Sal. 44:8; Sal. 46:1; Sal. 47:1,7; Sal, 57:2; Sal. 62:8; Sal. 82:8 ary ny Sal. 121:7. Inona ny toerana tanan’Andriamanitra eo amin'ny fiainan'ny mpanao Salamo?

Mifantoka manontolo amin’Andriamanitra ny tontolon’ny Salamo; manao izay hampileferana Aminy ireo fanandramam-piainana rehetra, amin’ny alalan'ny vavaka sy ny fiderana izany. Andriamanitra no Mpamorona tsitoha, sy Mpanjaka ary Mpitsara ny tany rehetra. Manome ny zavatra rehetra ho an’ny zanany Izy ka tokony hitokiana amin’ny fotoana rehetra. Na ireo fahavalon’ny vahoakan’Andriamanitra aza dia manontany hoe: “Aiza izay Andriamanitrao?" rehefa hita ho tsy mahomby ny vahoakan’Andriamanitra (Sal. 42:10). Eo mandrakariva ny Tompo ary Andriamanitra tsy mba manary ny olony, koa teo mandrakariva ho azy ireo Izy. Farany, miresaka mialoha momba ny fotoana izay hihobian’ny olona rehetra sy ny firenen-drehetra an’Andriamanitra ny Salamo (Sal. 47:1; Sal. 64:9).

Rehefa atao ivon’ny fiainana Andriamanitra dia manjary mifantoka amin’ny fiankohofana ny fiainana. Samy hafa amin’ny fiankohofana araka ny fahatakaran’ny ankamaroan’ny olona azy ankehitriny ny fiankohofana nataon'ny Salamo, satria ny fiankohofana tamin’ny kolontsain’ny Baiboly dia tsy isalasalana fa ivon’ny fiainan’ny fiarahamonina iray manontolo. Araka izany, ny zavatra rehetra izay nitranga, na ny ratsy na ny tsara, teo amin’ny fiainan'ny vahoakan’Andriamanitra dia nambara tamin’ny fiankohofana. Ren’Andriamanitra ny mpanao Salamo, na aiza na aiza no misy azy, ary valiany amin’ny fotoana hitany fa mety indrindra (Sal. 3:4; Sal. 18:6; Sal. 20:6).

Fantatry ny mpanao Salamo tsara fa any an-danitra no fitoeran’Andriamanitra, kanefa miaraka amin'izay dia monina any Ziona Izy, ao amin’ny fitoerana masina eo amin’ny olony. Sady lavitra Andriamanitra no akaiky, any amin’ny toerana rehetra Izy, ary ao amin’ny tempoliny (Sal. 11:4), miery (Sal. 10:1), ary manatrika (Sal. 41:12). Atambatra ao amin’ny Salamo ireo toetran’Andriamanitra izay toa mifanohitra ireo raha ny fijery azy. Takatry ny mpanao Salamo mantsy fa tsy afa-misaraka amin’ny maha-lzy an’Andriamanitra ny maha-lavitra sy akaiky Azy (Sal. 24:7-10). Ny fahafantaran’izy ireo ny fahatsaran’Andriamanitra sy ny fanatrehany, eo anatrehan’ny toe-javatra rehetra lalovany, no mampahatanjaka ny fanantenany raha eo am-piandrasana ny fidiran’Andriamanitra an-tsehatra na oviana na oviana ary amin’izay tomba safidiny hanaovana izany.

Ahoana no anampian'ny mpanao Salamo antsika hahatakatra fa tsy azontsika ferana ho amin’ny lafiny sasany amin'ny fisiantsika fotsiny Andriamanitra? Ampahany inona amin’ny fiainanao no tadiavinao hanalavirana an’Andriamanitra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal