Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY TSIAMBARATELON'NY ASA FANOMPOAN'I JESÔSY

Daty
Alarobia 10 July 2024

Vakio ny Mar. 1:35-39. Inona ny lesona manan-danja azo tsoahina avy amin'izay nataon'i Jesôsy teto?

Nifoha mialoha ny hiposahan'ny masoandro i Jesôsy ary nitokana tany amin'ny toerana iray tsy nisy olona mba hivavaka. Asongadin'ny Mar. 1:35 ho ivon'ny asa ataon'i Jesôsy ny vavaka. Naseho tamin'ny endrika voafintina ny matoanteny rehetra ao amin'io fehezanteny io - nifoha Izy, nivoaka, ary nandeha (nankany...) (amin'ny filazam-potoana lasa avokoa ireo amin'ny teny grika, izay midika fa efa vita izany asa izany). Ny matoanteny "mivavaka" kosa, indrindra eto, dia aseho amin'ny endrika mitory fitohizan'asa, izany hoe mbola manao ilay asa Izy. Asongadin'ny lahatsoratra koa fa maraina vao mangiran-dratsy no nivoahan'i Jesôsy, midika izany fa naharitra ny fotoana nitokanany mba hivavaka.

Manerana ny Filazantsara no ahitantsika fa olon'ny vavaka i Jesôsy (jereo ny  Hita fa izany no iray amin'ireo tsiambaratelon'ny herin'ny asa fanompoana nataony.

Vakio ny Lio. 6:12. Inona no ampianarin'izany mikasika ny fiainam- bavak'i Jesôsy?

Manana fotoana raikitra ivavahana ny ankamaroan'ny Kristianina. Mety ary tsara tokoa izany fomba izany, kanefa mety ho tonga fahazarana fotsiny ary zary tsianjery aza. Azo atao ny miova amin'ny mahazatra amin'ny alalan'ny fanovana tsindraindray ny ora ivavahana na koa amin'ny fivavahana mandritra ny fotoana maharitra kokoa.

Tsy nanaraka an'i Jesôsy tany amin'ny toerana nivavahany i Petera sy ireo namany. Azo heverina anefa fa fantatr'izy ireo izany toerana izany satria hitany Izy. Ny filazan'izy ireo fa nitady an'i Jesôsy ny olona rehetra dia manondro fa nanohy ny fanandramana nampientanentan'ny fanasitranana sy ny fampianarana izay niainany ny omalin'io Izy. Nahagaga ny nandavan'i Jesôsy izany sy ny nanondroany saham-panompoana lehibe kokoa any amin'ny toeran-kafa. "Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanana akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izany no nahatongavako." - Mar. 1:38.

Raha toa i Jesôsy nila fotoana betsaka nivavahana tahaka izany, ahoana kosa ny amintsika, ary manao ahoana ny habetsahan'ny fotoana tokony holanintsika amin'ny fivavahana? Inona no ambaran'ny ohatra nasehon'i Jesôsy antsika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal